tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Edito

Any izay ny vahoaka!

Tsaroantsika ny fomba fiteny na vazivazy zaritenany fanao teo aloha isaky ny tapaka ny herinaratra dia ilay hoe “any izay I Andry eee!”.

01-mars-2023

Sample post image

Dia samy mamisavisa teo ny tsirairay tamin’ireny fotoana ireny hoe iza ary izany Andry izany? Kopy izay kopy, hoy ny fitenin’ny tanora. Ankehitriny, izay hetsika politika miseho rehetra dia tsy misy tsy mampifantoka afa-tsy any amin’ny fifidianana… sisa. Na ireo lazaina fa hetsika ara-tsosialy, kizarazara vary! Manao trano ary! Mamatsika latabatry aty! Mamorovory vahoaka etsy sy eroa dia tsy misy ifotoran’ny resaka ankoatran’ny hoe fifidianana avokoa. Mipetraka izany eo ny fanontaniana hoe aorian’ireny fotoana mandalo ireny dia hanao ahoana ny tohin’ilay fiainam-bahoaka? Ho tonga isan’andro amin’ireny toerana nolalovany ireny foana ve ny filoham-pirenena hizara vary masaka isan’andro na hamita hatramin’ny farany ireo fotodrafitrasa nandraisany anjara mihitsy ny fanaovana azy? Ny fanontaniana toy ny hoe andraikitry ny filoham-pirenena ve ny mandalondalotra sy mamantsipantsika moa mbola handrasam-baliny hatrany iny miaraka amina fandresen-dahatra mafonja. Ankilabao tanteraka ny fiainam-bahoaka. Iza moa no tsy nilaza izany? Eto izany ny azo amintinana azy sisa dia ny hoe “Any izay ny vahoaka!”. “Any izay ny vahoaka eee!”, hoy angamba ireo mpanao politika sisa ao anatin’izao enim-bolana farany heverina fa hifaranan’ity fitondrana ity izao!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Hiandry rombo vao ho taitra a !
02-juin-2023

Mihazakazaka ny fotoana, miha hatomotra ny fotoana hanaovana fifidianana raha ho voatazona amin’ilay vinana tetiandro natolotry ny vaomieram-pifidianana,…

Card image cap
Tena mahantra
01-juin-2023

Mamono miadana toy ny homamiadana ankehitriny ity fahantran-dRamalagasy ity. Tena mahantra isika ary maro no heverina fa fomba azo hanazavana azy saingy toy ny tongom-bakivaky moa izy ity,

Voir plus