isan'ny andry ijoroan'ny demokrasia. Harena ny tsy fitovian-kevitra, arofanina ho an'ny mpitondra ny tsikera mba hahafahana manitsy ny dia,... Tokony havahana tsara anefa ny fahalalahana sy ny gaboraraka. Miharihary mantsy ankehitriny ny finiavana hamingana, hanakorontana saim-bahoaka, hampisavorovoro ny firenena,... Tena misy fampiasam-bola sy tetikady politika maloto entina haminganana, tsy hisian'ny fanovana,... Miha mahazo vahana ny fiezahana mbola hamboly sy hivoy toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany, mbola mandeha ny fanakorontanana saim-bahoaka, mandeha ny fomba rehetra hoenti-mivoy fankahalana sy fisaraham-bazana. Asa mbola tsy ampy ve izay fanabadoana vahoaka natao am-polo taonany izay ? Ataon’izy ireo izany mba tsy hahariharin'ny karatra fa tsy nahomby ny fitondrana teo aloha, mba tsy ho hita fa misy zavatra azo natao, nisy fampandrosoana azo nentina,... saingy nirona tany amin'ny fangoronan-karena sy fanodinkodinana saim-bahoaka hatrany ny fitondrana teo aloha. Tsy resaka fanenjehana be fahatany, ary tsy afaka ny hilaza fa dia tena tsy nisy zava-bita, fa kosa tsapa sy hita kokoa ny finiavana amin'izao hany ka tao anatin'ny 2 volana dia mba misy zavatra hita ho mahavelom-bolo. Tsapa ny finiavana hiroso amin’ny Fanjakana tan-dalàna, tsy handanindany fahatany ny volam-panjakana, mitodika kokoa any amin’ny mahasoa ny besinimaro,… Maneho sy mampiseho fa azo tantanana ho any amin’ny mahasoa kokoa ny volam-panjakana. Noho izany, eo ny fanavaozana ara-pitantanana, fa tenamila fanavaozana sy fihavaozana ara-toe-tsaina isika mba hanana saina mandinika sy mandalina, ka hahay hanavaka tsara ny mety sy ny tsy mety, ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny diso
Toky R