airtel

Edito

28-juil-2026

Atao mahagaga ve ?

Mbola haverina foana fa

Sample post image

tsy misy mpitondra na mpanao politika

28-juil-2026

maniry haka fahefana ka rehefa tonga eo dia tena hoe : ny hanimba sy hamotika firenana ary hampahory vahoaka no tanjona. Samy manana ny ezaka sy ny eritreriny, fa mety misy kosa ireo sakana samihafa. Ao ny mety mangeja sy sarotra ihoarana noho ny gejan’ny lasa : tantara, politika, fifanarahana mangeja,… Misy ny iniana volena entina haminganana izay eo. Ny fihoarana an’ireny no isan’ny sedra lehibe ho an’ny fitondram-panjakana iray. Mety tsy misy manam-piniavana hanao ratsy, hanao ny tsy mety,… fa rehefa tonga eo na mialohan’ny hahatongavana eo dia efa mety namato-tena, nanao fifanarahana mamoafady,… hany ka ny Firenena no mety ho sorona. Eo ihany koa anefa ny tsy fahaiza-mitantana tsotr’izao, tsy arakaraka ny noeritreretina kay ilay mitondra Firenena, hany ka ny propagandy mipoapoaka, ny fampanantenana zavon-tany, ny kabary mirefodrefotra,… fa ny vokatra poakaty. Dia mitady ny fomba hifikirana eo, manao ny tsy fanao, mampiasa hery,… saingy misy farany ny zava-drehetra, tsy ampoizina ny fitsimbadihana, mivadika tampoka ny pejy. Porofo mivaingana ireny tamin’ny 25 septambra 2025 ireny e ! Iza no nanampo fa ilay fitondram-panjakana sy antoko politika niheritreritra ho efa mitazona ny kadasitr’i Madagasikara sy toa efa nisora-tena ho andrianjoelimanjaka no nidaraboka tampoka ? Dia atao mahagaga ve raha misy ny tsy mahay mionona sy tsy mahalevona ny fitsimbadihana politika ? Atao mahagaga ve ny mety ho teti-dratsy mamoa-doza raha ilay efa mba kajikajy hidingin-drambo hifikitra amin’ny fahefana no voatrongy tao anatin’ny fotoana fohy ? Asa anefa na fifandrifian-javatra ihany na ao raha ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

tsy mety afaka tanaty fahantrana

Card image cap