airtel

Edito

22-févr-2024

Atelin’ny miiba ny miabo !

Zary lasa fomba firesaka sy fiteny avy

Sample post image

any anaty Fanjakana ankehitriny ny hoe :

22-févr-2024

dia tena tsy mba mahita zavatra miabo amin’izao fitondrana izao ve ianareo fa dia miiba Mandrakariva ? Tsy ny zavatra miabo no mety tsy misy fa ny miiba aloha no misongadina sy mitelina ireo heverina fa zavatra tsara. Ny tena zava-doza sy olana amin’ny fitantanana ity Firenena ity dia ny tsy mba fanekena ho diso sy tsy manaiky hahitsy, fa ny hambo-po diso toerana no mibaiko. Zary lasa atao sorona politika i Madagasikara, ka arakaraka ny fitosaky ny tsikera sy fitanisana ny tsy mety no toa vao mainka mampidingin-drambo ny eo amin’ny fitondrana. Firenena iaraha-manana anefa ity, ary tsy misy handeha handany ron-doha sy fotoana hampaneno lakolosy lava eto, fa matoa tonga amin’izany dia mbola betsaka ny zavatra mila hahitsy sy harenina. Miteny ho azy ny tondra samihafa sy ny tarehimarika izay maro no tsy avy ato anatiny akory fa tena fijery mahitsy mivoaka eny amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny zava-doza anefa, dia efa zavatra tsy manjary no ezahina mba terena ho fahaiza-mitantana, ny efa hita izao fa mainty sy iadian-kevitra no mbola hidrinkinana fa mainty. Fahasahiana tsy roa aman-tany, ohatra, ny nilazana fa nahay nitantana fa raha tsy izany efa misanda 10 000Ar ny sandan’ny 1euros. Nanaovana tahaka io ihany koa ny resaka vidin-tsolika. Indraindray toa metimety kokoa ny mangina noho ny miteny kanefa toa maneso ny efa fahasahiranana sy fahantram-bahoaka izay isan’ny antony goavana ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra mpanapa-kevitra eto amin’ny Firenena. Tsy misy adala eto handeha hanatsikafona ireo tsy fanjariana samihafa, fa ny zava-drehetra dia maneho sy manaporofo fa fihemorana aloha ny tena hita, ary tsy fampandrosoana no tsikaritra fa kirendrarendra sy fampisotroana ny rano tsy tiana ny Malagasy !
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap
13-mai-2024

Tanàna misy antsika izy, nolokoina menamena. Tanàna menamena izy, feno trano mangamanga.»,

Card image cap