lehibe hizoran'ny sehatra nasionaly dia tsy maintsy miverina eny ambonin'ny latabatra hatrany ny kajikajy politika. Tsy Madagasikara irery no ahitana izany, saingy eto amintsika dia matetika lasa manan-danja kokoa noho ny olana tena iainan'ny vahoaka izy io. Mifantoka amin'ny hoe iza no hahazo toerana, iza no hanohana an'iza ary iza no hanana fahefana bebe kokoa ny resaka, ka indraindray adino ireo fanamby ara-tsosialy sy ara-toekarena. Ny fifaminganana moa mety eny antsefantsefany eny. Ao anatin'izany kajikajy izany no isehoan'ireo fiarahan-dia tampoka, fisaraham-bazana tsy nampoizina, fiovana ara-poto-kevitra, izay mahavalalanina ny olom-pirenena matetika. Ny tombontsoan'ny antoko na vondrona iray matetika no asongadina, raha toa kosa ka miandry vahaolana momba ny vidim-piainana, ny asa, ny filaminana ary ny fampandrosoana ny mponina. Tsy ratsy akory ny kajikajy politika raha ampiasaina hananganana marimaritra iraisana sy hampiroboroboana ny fitoniana, fa tsy sanatria sarintsarina fahamarinan-toerana. Lasa olana anefa izany rehefa ny fizarana seza sy ny fikatsahana fahefana no tanjona lehibe indrindra. Mety hiteraka fifanaovana takalon’aina politika, rehefa mihalalina ny fifandirana, ka tonga any amin’ny fisarahan-dalana. Amin'izay fotoana izay dia very ny hevitra fototra tokony hananan'ny politika, dia ny fanompoana ny vahoaka sy ny fiarovana ny tombontsoam-pirenena. Raha mbola ny kajikajy politika no mibahana ny sehatra, dia hijanona ho mpijery ny vahoaka, ka vao mainka hiraviravy tanana. Fa raha ny fahombiazan'ny firenena sy ny fanatsarana ny fari-piainan'ny Malagasy kosa no atao lohalaharana, dia mety hahazo vahana indray ny fitokisana sy ny fanantenana izay tena ilain'i Madagasikara ankehitriny. Mbola anisan’ny fanavaozana lehibe mila apetraka ny fanavaozana ara-politika !
Toky R