airtel

Edito

18-mars-2024

Basy tsy mipoaka !

Efa nampoizina hatry ny ela fa basy tsy mipoaka ny

Sample post image

fitondrana ankehitriny, fa endriny ivelany fotsiny ihany,

18-mars-2024

raha jerena amin'ny vokatra entiny ankehitriny. Tsy finiavana hitsikera sy hanakiana fa tena lasan-ko vavany toa haron-tabebaka raha raisina amin'ny vava be sy ny fampanantena hatrizay: ho lohany aty Afrika, ozinina lehibe indrindra aty Afrika, hampindram-bola an'i Kaomoro, hanavotra izao tontolo izao,... Notanisaina izao zavatra rehetra izao, napetraka ny vatofototra tetsy sy teroa, nolazaina hatsangana izao sy izao saingy ny resaka hatrany no betsaka raha tarafina amin'ny ozinina etanola, orinasa Gasycar, lalana RN13, voie rapide Toamasina, Autoroute Imeritsiatosika Imeritsiatosika, Autoroute Antananarivo-Toamasina, herinaratra 400MW,... Mby aiza ireny ankehitriny ? Ny zavatra tsikaritra dia ny an-tanana votsotra, ny nantenaina tsy azo,... raha tarafina amin'ireo endrika krizy maro toa io fahapotehan'ny lalana io, ny fitomboan'ny tahan'ny fahantrana,... Serasera no betsaka raha tsy hilaza afatsy ilay filalaovana ny voambolana "100 andro", filazana fa hanarina ireo orinasam-panjakana toy ny Air Madagascar, Jirama,... Moa tsy efa ny tsy fahaiza-mitantana ve no nahafaty sy nampitsipozipozy an'ireny? Dia azo inoana ve fa ireo efa tsy nahay nitantana no mbola hahavita fahagagana indray ? Ny zavatra tena miharihary sy mahadodona ny mpitondra ankehitriny dia ny hoe: amin'ny fomba ahoana no hahafahana mahazo seza maro indray amin'ny fifidianana eo? Inona no atao mba tsy hahazoan'ny fanoherana toerana maro mba tsy hanelingelina ny aferam-pitantanana maro? Ity fitondrana ity rahateo no fitondrana azo lazaina ho tsy manaiky ny hisian'ny arofanina indrindra fa tsy te hosembatsembanina amin'izay tiany hatao na efa mamarina an-kady Firenena aza, ankoatra ireo afera maloto samihafa mampalaza ny olom-panjakana maro. Tsy hanaiky ho diso mihitsy fa dia tena hoe: toy ny vorona azon'adala ny Firenena ka raha tsy maty mifohifohy volo? Eo anatrehan'izao fahapotehan'ny Firenena sy fahantram-bahoaka tsy mitsaha-mitombo izao, mbola azo heverina ve hahazoan'ny antokon'ny fitondrana maro an'isa eny amin'ny antenimierampirenena raha tena fifidianana madio sy azo antoka tokoa? Mbola hanaiky ho voafitaka amin'ny sô sy koveta ve ny Malagasy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap