airtel

Edito

13-mai-2025

Bizina sy fihatsaram-belatsihy mitety faritra !

Mbola manantena afo amin’ny maty raha ny Fitondrana

Sample post image

ankehitriny no antenaina hitondra fiovana sy fanovana ary fandrosoana ho an’ity firenena ity.

13-mai-2025

Na ny mason-tsivana hamaritana ny atao hoe : « fandrosoana » sy « fampandrosoana » aza mifangarika tanteraka amin’ny famaritana iraisam-pirenena sy ny zavatra tadiavin’ny vahoaka. Fitantanana fahoany fahoany, tsy misy mangaraharaha, tsy mahavaha olana, miady ho an’ny bizina sy ny tombotsoany fa tsy mijery ny tombotsoam-bahoaka,… Rehefa mafampana ny toe-draharaha, dia manao pimaso amin’ny fizarazaran-javatra kely tsy mankaiza dia milaza fa mifamelona sy mifanampy amin’ny Malagasy, manao serasera fa mijery ny fahasahiranam-bahoaka, mamerimberina fa manao izay hampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka,… Tsy vitan’ny kabary ambony latabatra, tsy vitan’ny fampanantenana poakaty lava hanao an’izao sy izao, tsy vitan’ny serasera ivelany,… ny fampandrosoana ny firenena sy fari-piainan’ny vahoaka. Raha misy ny fahaizana sy fahombiazan’ny mpitondra, tsy mila miandry sy manantena fanohanana sy fanampiana tsy mahavita taona ho ana ampahan’olona ny vahoaka, fa tokony hanana fahefa-mividy, tokony hanana asa mahavelona, tokony handry fahalemana,… Mila politika ara-toekarena sy ara-tsosialy tena miantraika sy azo tsapain-tanana amin’ny fiainam-bahoaka, fa tsy hoe : efa hita izao fa tsy misy zavatra mandeha amin’izay laoniny, tsy misy fangaraharahana amin’ny fitantanana ny volam-panjakana, miakatra andro aman’alina ny vidim-piainana,… kanefa hoe : tena mety sy mahomby ary mifanaraka amin’ny nieritreretana azy ny tetibolam-panjakana ka tsy hilana fanintsiana. Ny fiakaran’ny vidim-piainana nofaritana 7,4%, ny Banky Foibe namoaka fa efa nananika ny 8,4% dia tena mety sy mifanaraka amin’ny tokony ho izy izany. Ny Fanjakana foibe manao fihetsiketsehana amin’ny filankevitry ny minisitra mitety faritra fa tsy hita izay vokany ka sao mba bizina sy fitiavan-tena mitety faritra ? Ny hany mba fidiram-bolan’ny kaominina amin’ny alalan’ny hetran-trano sy hetran-tany anaovan’ny Fanjakana foibe rapa-dango dia mangina ireo lazaina fa « solombavambahoaka » sy « loholona » nandany sy nanaiky izany tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ka asa na solombavamboaka sy loholona no ilazana izany na inona. Lazaina anefa fa mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ireo loholona, ary efa hita taratra sy nandeha teo aloha teo ny pimaso ataon’ny sasany amin’ny alalan’ny famoriana sy fanofanana ireo ben’ny tanàna. Izany ve tsy fihatsaram-belatsihy manara-penitra satria akaiky ny fifidianana loholona ? Raha tena mitsinjo sy miahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana dia io resaka famonoana ankolaka ireo kaominina io no niadiana. Izany ny politka feno fihatsaram-belatsihy sy fitiavan-tena eto ! Tsy te hahalala vahoaka, fa rehefa fifidianana ianao no ilainy, rehefa mafampana ny toe-draharaha dia tsipazany katsaka ! Lojika raha milentika ny Firenena !
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

fiainana politika sy ny fitantanana Firenena e ! Raha toa nangingina sy tsy

Card image cap
04-juin-2025

vita ihany fa ny hanjo ireo mbola malagasy aoriantsika ao ireo tokoa izany hanao ahoana?

Card image cap