airtel

Edito

16-déc-2022

Edito

Bontolo !

Sample post image

Nolazaina matetika fa bontolo ny fanoherana misy eto amin’ity firenena ity tao anatin’izay 4 taona mahery kely izay.

16-déc-2022

Tsy dia zava-dehibe intsony angamba ny fandisoana na fanamarinana izany fomba fijery izany. Ny aty amin’ny fanoherana koa tsinona mahita fa bontolo ny ankamaroan’ny endrim-panohanana ity fitondrana ankehitriny ity. Rehefa alefa alavidavitra kokoa aza ilay fomba fijery dia hita fa tsy dia tena izay fanoherana na fanohanana izay loatra intsony no bontolo eto fa ilay fitantanana ny firenena sy ny vahoaka ao aminy mihitsy. Averina hatrany hoe efa lasa tsy mivaky loha amin’ilay izy intsony koa moa ny olompirenena fa dia aleo andeha “jolie” eny, hoy ny fomba fitenin’ny any anaty fiarahamonina any. “Aza maka lagy amin’izany”. Nandeha ny raharaha “bonbon sucette”, vitavita ho azy, dia samy tsy misy taitra firy fa dia hoe “hay ve e!”. Niodina ny 1 miliara Euro latsaka kely namatsiana ny ady amin’ny COVID 19 teto dia samy nimenomenona kely vetivety teny fotsiny dia niara-natory indray avy eo. Tonga ny resaka “écran plat” dia hoe “ndry r’itony eee!”. Mbola tsy fahita teto amin’ity firenena ity tao anatin’ny 60 taona ary manerana izao tontolo izao mihitsy angamba izany hoe minisitra voalaza fa nankalaza tsingerintaona dia nandany 100 tapitrisa Ariary na atsasaka miliara iraimbilanja. Nandalo vetivety ny maso mijery sy sofina nandre fotsiny koa anefa izany dia tsy nisy tohiny intsony taty aoriana. Volamena tao anatina biraona minisitra nodimbiasana praiminisitra dia avy eo nivadika kanefa ny niafarana dia mbola ohatran’ilay voalaza tetsy ambony teo ihany. Tsy nisy tohiny fa nandeha “jolie”. Mitosatosaka ny famoahana tarehimarika mampivarahontsana ny maso mikasikana tambikaramana depiote fotsiny izay efa mahatratra hatrany amin’ny 173 tapitrisa Ariary any ho any indray niaraka tamina resaka fitsipaham-pitokisana tokony efa tanteraka satria solombavambahoaka miisa 105 amin’ny 151 no efa nankato azy kanefa dia naresaka kely herinandro dia vita fa hoe tsy navelan’ny mpanatanteraka ho tanterahan’ny mpanao lalana izay voafidim-bahoaka, hono, fa fanakorontanana. Ilay vahoaka nampitoniana aza anefa gaga hoe “odry!!” fa izahay sa ianareo no mikorontana sy misavorovoro?”. Nangataka fanadihadiana moa iny omaly ry zareo tomponandraikitra misahana ny zon’olombelona sy tany tan-dalana eto amintsika ka dia asa indray izay ho tohiny fa sarotra angamba aloha ny hilaza izao fitantanan’ny mpitondra rehetra, na mpanao lalana io, na mpanatanteraka ny fiainam-pirenena izao hoe mbola manaraka lojika na mandeha amin’izay laoniny mba tsy hilazana azy hoe tena bontolo!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap