raha ny ara-politika sy toekarena dia mbola miankin-doha aloha isika hatreto. Mbola tsy mahaleotena no dikan'izany amin'ireo lafiny ireo. Iza tokoa moa no tsy hahatsikaritra izany na tsy olompirenena malagasy aza? Ny marika tsy azo lavina maneho fa niverenana fahaleovantena isika amin'izao fotoana izao dia ny fanananana ny vola malagasy na ny Ariary, hiram-pirenena, sainam-pirenena. Ireo ihany izany aloha no tsy azo lavina hatreto, hoy ny fanazavana marolafy. Ny ankoatran'izay, mila fanavaozana avokoa, mba tsy ilazana hoe mila fanovàna mihitsy. Eny fa na dia hatramin'ireo fihetsiketsehana momba ny fitafy malagasy nanamarihana ny 26 jona farany teo aza dia nisy nahatsikaritra fa betsaka mbola nanambatra izany fitafy malagasy izany tamin'ny fitafin'ireo firenena tandrefana na tantsinanana sasany. Hatreo amin'ny resaka fitafy fotsiny ihany rahateo tokoa ve moa no ampy maneho fa manana ny maha izy azy sy ny fahaleovantenany isika ity? Tokony hiteny hoe "Tratry ny asaramanitra!" ve amin'ny fotoana toy ireny ary fantatr'ireo niteny izany ve hoe inona no antony itenenana izany? Fomba mifamatotra amina kolontsaina lalina izany kanefa heverintsika hatrany fa bitika sy hoe tenenina fotsiny dia vita. Heverina nefa fa tsy nahita fomba nahomby indrindra nahafahany nampiroborobo ny toekareny sy ny mponina tao aminy ireo firenen-dehibe toa an'i Japon na Chine na Etazonia raha tsy natanjaka ara-kolontsaina aloha. Io izao fa jifain'ny zaza malagasy ny sarimiaina Mangà. Feno Kilalao sinoa ny tanàna nefa hoe nanamarihana ny fahaleovantenan'i Madagasikara. Izany mozika Rap na R'N'B na Rock na inona mozika amerikanina izao dia efa lafo aty daholo. Ny an'olona efa lafo eo amin'ny sehatra iraisampirenena mihitsy ny ankamaroan'ny kolontsainy ampiroboroboiny ny toekareny fa ny antsika firy isan-jato no mba lasa any? Mba manohana an'izay lasa any koa ve isika sa manamavo izany? Mila fanavaozana avokoa izany rehetra izany.
J. Mirija