airtel

Edito

09-févr-2026

Edito

Hikoha-maina aza atao mainka fa…

Sample post image

Hikoha-maina aza atao mainka

09-févr-2026

fa misy sery hanilihana ! Fomba fiteny tsy vaovao amin’ny Malagasy io, ary azo ampifandraisina tsara amin’ny zava-misy ara-politika izay tokony handraisana lesona. Hamorona ny tsy misy mba haminganana ny fitondram-panjakana tokoa aza mety hataon’ireo tsy maty voalavo an-kibo, mainka mety misy lesoka na hirika hahafahana mamely ny fitondrana mijoro. Dia io mipoitra io ohatra ny fanambarana nataon’ny manamboninahitra malaza iray. Somary saropady, saingy vao misy ny tahaka ireny dia efa betsaka ny mikopaka afo sy mandrirotra any amin’izay hahafahana mamely ny fitondram-panjakana mijoro. Inona marina no mitranga mba tsy hisian’ny feon-dakolosy tokana ? Tsy azo nalamina ve ? Misoko miadana ny tetika avo lenta handavoana ny fitondrana ? Tsy misy ny tonga lafatra 100%, misy sy nisy ny finiavana hitondra fanovana sy fanavaozana : politika, toekarena, sosialy, fanabezana, tafika,… fa tsy ilaozan’izay lesoka mila harenina, tsy ilazaon’izay mety zavatra mangeja tsy azo hanoharana na sarotra hihoarana. Tsy tokony hohararaotina hamotehana ny ezaka sy ny dingana vita anefa izany. Asa mba afaka sary an-tsaina ve ny rehetra hoe : nanao ahoana isika raha namono biby tsy nahafaty teo anatrehan’ny fitondrana jadona sy mpamono olona ? Moa mbola manana fotoana hifandroritana sy hifaminganana ve isika eo anatrehan’ny fiainam-pirenena mila fanarenana haingana ? Tsy hoe mamafa manontolo ny lasa ihany koa anefa isika, fa azo tazonina izay tsara. Ny zava-doza kosa dia ny mety ho mbola fisian’ny leson-dratsy sy fahotana mahafaty nataon’ny teo aloha mety mbola misy mikiry hanohy. Mety tsy voatery ho ny Filoham-panjakana mivantana na ny Lehiben’ny governemanta, fa mety misy any vondron’olona, na mpanao politika, na vondrona ara-toekerana mety manahirana sy mivadika ho hoditr’akondro. Tsy mbola tara raha izao no manitsy ny tsy mety, ary amin’ny politika sy ny fitantanana ny firenena dia tsiahivina foana hoe : ny efa fantatra fa mpifanandrina dia efa mazava, fa ny avy ao anatiny manao mpamosavy malemy no zava-doza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Manahirana dia manahirana

Card image cap
16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap