ny rano mangotraka tsy mba fisotro, hoy ny tononkira iray izay. Anatina fanavaozana moa no nilazàna ny firenena nanomboka ny oktobra 2025. Fanavaozana, fanovàna, rehefa zohiana ny toe-draharaha tao anatina vanim-potoana nifandimby hatramin’izay nanomezana ity firenena ity ny antsoina hoe fahaleovantena dia heverina fa samy ilain’ny firenena ireo amin’izao fotoana izao. Voaresaka foana ny fanovàna rafitra, ny fanavaozana fomba fisainana, ny fanovàm-pitantanana, ny fana-vaozana traikefa isan-karazany na koa rantsa-mangaika atsy sy aroa. Samy mahatsapa ny mandinika izay nanjo ity firenena ity rehetra hatramin’izay fa samy ilaina ireo. Maika ny fanarenana ity firenena ity saingy tsy maintsy mandinika ny tokony atao izany, araka ny antony voalaza teo. Tsy in-dray na in-droa no neverina ho afaka tanaty lava ity firenena ity nefa dia mbola lavo hatrany hatramin’izao. Nanantena fiovàna goavana isika nanomboka ny taona 1958. 14 taona taty aoriana nefa, nipoaka indray ny 13 may 1972 satria tsy resy lahatra isika fa tena nahazo fahaleovantena marina. Toy izany koa avy no nitranga ny 1991 sy 2002 ary 2009 sy iny 2025 iny. Ankehitriny, tsy vitsy ireo mametra-panontaniana hoe tena izao tokoa ve ilay nifanarahana fa hanovàna ity firenena ity teny an-kianja? Mahavelom-bolo kosa aloha ny mahita malagasy nahatafaverina ny taniny nobodoina teratany vahiny teo aloha! Toy izany koa ny nahita delestazy na olan’ny JIRAMA nihena saingy nampametra-panontaniana moa hoe naninona ilay mba nahavita nanala izany fahasahiranam-bahoaka izany no tsy naverina tamin’ny toerany intsony? Somary milefitra ihany amin’izao fotoana izao ireo mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra. Azo heverina ho fanavaozana isany nitranga koa izany. Tsy lavina ny fisiana fiovàna sy fanavaozana tao anatin’izay 5 volana mahery izay saingy maninona kosa ary nefa no mbola misy miteny hoe toa ny teo ihany no teo na koa manontany hoe tena izao marina ve ilay fanovàna na fanavaozana nifanarahana? Eo izany izao ilay tsy maintsy dinihin’ny nomena fahefàna rehetra eto amin’ity firenena ity ary heverina fa tsy maintsy mandinika izany koa isika rehetra ao anatin’izao faran’ny herinandro paskaly izao!
J. Mirija