airtel

Edito

27-janv-2023

Edito

Efa dila ny lera

Sample post image

Lera, hoy ry zareo solombavambahoaka isan’ny nanao fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra tamin’ny farany taona, nitaona ireo mpanao politika hafa sy ny sehatra maro ary ny vahoaka manontolo mihitsy omaly.

27-janv-2023

Ity, hono, vao tena izy! “The Time is now” na hoe fotoana izao koa, hoy ny filoham-pirenena iray teo aloha izay, raha mbola nilatsaka filoham-pirenena farany teo ny taona 2018. Tonga ny fotoana foana no averimberintsika eto nefa rehefa dinihina lalina dia tonga amin’ny voalazan’ilay mpanao politika iray izay izy ity hoe “efa diso tara isika e!”. Efa dila ny lera, hoy ny tononkiran’ny mpanakanto iray izay. Rehefa fotoana dia fotoana kosa angamba fa tsy misy hoe ity vao tena izy isak’izay mihetsika. Ny fahoriam-bahoaka izao iaraha-mahalala fa tsy misy lera intsony. Ny vary 3 vilia lasa 2 vilia. Ankehitriny iray sisa no hanin’ny ankamaroany. Efa iaraha-mahalala sy mahita ny fidangan’ny vidin’entana isan’andro izay hifanararaotan’ny samy malagasy ihany mifanambaka eny anaty fiarahamonina eny ankehitriny satria hoe misy rivodoza, indrindra, tapaka ny lalana. Nandritry ny 4 taona ny mpanohitra no efa nilaza ho nahita sy nitabataba hatrany fa tsy misy azo antenaina amin’izao fitondrana izao. Nahita ireo fampanantenana tsy tanteraka toy ny Tanamasoandro, Miami, Flyover sy ny tariny rehetra. Ny vahaolana tip top, hoy ny filazan’ireo mpanao politika azy izay na vonjy tavanandro toy ny tosika fameno sy ny tariny fa tsy masomboly na fintana. Hita tao anatin’ny 4 taona fa tsy voajery ny lafiny rehetra na sosialy na kolontsaina na toekarena na politika satria dia miverimberina foana ny hoe tsy mazava ny politikam-panjakana mikasika ny fampandrosoana ity firenena ity. Dia izao ve izany ny mpanohitra sasany tokoa vao hiteny hoe lera? Aiza moa ny fitondrana no tsy mbola hilaza indray koa hoe taonan’ny asa na “leran’ny asa” ity na dia nolazainy fa taonan’ny asa daholo koa aza ireo taona 3 hafa hitan’ny maro fa tsy nahavitany asa mivaingana teo aloha? Samy hiandrasana hetsika na “action” avokoa izao na ny avy amin’ny mpitondra na ny mpanohitra. Ny mpitondra handrasana hanatanteraka ny tenin’ny filoham-pirenena tany Dakar hoe mila omena masomboly sy tany hovolena ary tohanana amin’ny famokarana ny malagasy ary ny mpanohitra kosa andrasana hanery ny fitondrana hanatanteraka izany heverina fa vahaolana maika indrindra manoloana ny olam-bahoaka ankehitriny izany mialohan’ny hametrahany fialana afaka 7 volana satria heverina fa tena efa dila ny lera tokony mbola hiaretan’ny vahoaka malagasy izao olana miavosa iainany izao fa tsy hoe izao intsony no lera.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap