olana mikiky ny Firenena ka mampikoroso fahana ny fiainam-bahoaka. Tsy misy an-kihaino intsony eto, fa mizotra makany amin’ny jadon’olom-bitsy, fanjakazakan’olon-tokana, ampihimamba ara-toekerana, salobokomana amin’ny harem-pirenena,… Tena ara-bakiteny ny hoe : mahantra eo ambonin’ny harena ny Malagasy noho ny mizana tsindrian’ila, fitiavan-tena, fanjakazakan’ny vitsy an’isa,… ka zary lasa tompony mangatak’atiny. Dia tena ho tahaka izao ve i Madagasikara raha tena misy tokoa ny fahaiza-mitantana ? Dia mbola lazaina fa famendrofendroana indray araka ny kabarin’ny Filoham-pirenena ve ny filazana fa tsy handroso intsony i Madagasikara raha mbola izao no tohizana ? Tsy misy maniry ny hampilentika an’i Madagasikara eto, fa tsy maintsy lazaina kosa ny marina hoe : mpitondra tsy mahay no mitondra eto, mpitondra mpandetika sy mpambotry firenena, mpitondra tsy mba manaiky ho diso fa mpanamarin-tena, mpitondra tsy mitory fiombonana sy fihavanana fa mpihatsy ady,… Tezitra ny mpitondra rehefa tondroina ho jadona, kanefa inona intsony moa no tena fahalalahana eto ? Na mba mety misy hirika kely hahafahana miteny sy maneho hevitra aza angaha moa misy mihaino sy vonona hanitsy ny tsy mety ? Dia mitohy hatrany ny faharatsiana, mitombo ny fahadisoan-dàlana, mitombo ny fiheveran’ny mpitondra azy ho tsy maty manota satria mihamafy ny fiarovan-tseza sy fianteherana amin’ny manam-basy, miha mahery vaika ny famoretana,… Ny fanantenana mila asiana foana hoe : tsy maintsy mbola handroso sy hivoatra i Madagasikara, saingy tsy maintsy miala ao anaty gejan’ny politikam-panjahana, politikan’ny fitiavan-tena,… fa raha mbola izao tena na amin’ny 2050 aza ! Mila mifoha sy mamadika pejy na ny boky mihitsy no mila soloina!
Toky R
Tsy misy Firenena mandroso fahatany na aiza na aiza aleha eto ambonin’ny tany, fa mitaky ezaka,