airtel

Edito

30-juin-2023

Edito

Efa miandry lera ny vahoaka !

Sample post image

Miha mihodina ny politika, fa tsy misy ny mandrakizay. Arakaraka ny zavatra nafafy ihany no hojinjaina, fa tsy misy ny fahagagana,

30-juin-2023

raha tena mandeha am-pahintsiana ny fifidianana izay hanehoan’ny vahoaka ny safidiny. Iza no mbola sahy hiteny sy hilaza amin’izao fotoana izao fa tena niha nandroso sy nakany amin’ny tsara kokoa ny fiainan’ny Malagasy ? Tena niroso nakany amin’ny tsara kokoa tokoa ve isika sa vao mainka nihemotra any anatin’ny faharefoana ara-toekarena sy ara-tsosialy? Ny olona miha miroso hatrany, manana vahaolana eo anatrehan’ny mety ho olana sy krizy maneran-tany, fa ny an’ny mpitondra antsika fitadiavana ala bala no betsaka. Lalaovina ny serasera fa tompondakan’ny indostria, tompondakan’ny fanjarian-tsakafo,… kanefa ny olona tsy an’asa mitombo, ny tsy manan-kohanina miakatra ny isa, ny mahantra fadiranovana mitombo ny taha,… Rehefa mivoaka ny firenena, henjana ny serasera, totoafo ny filazana fa niady ho an’I Madagasikara sy ny tany Afrikanina,… Tena lasa mpanome lesona malaza fa ny vokatra tsy hita izay eo e! Betsaka izay sora-bola notanisaina izay, fa asa firy amin’ireny no tena nody ventiny sy nivadika ho tombotsoan’ny Malagasy maro an’isa? Efa tany amin’ny telo taona lasa izao no niresahana fa hanome 240 tapitrisa dolata I Renimalala, fa rehefa zohiana dia karazana tapi-maso mitsitaitaika izay mety lasa tari-drano ankilahila aza ka ny very no betsaka. Efa hatry ny ela no nahenoana, fa hanome 320 tapitrisa dolara ny Tahirimbola iraisam-pirenena, fa dia mitsitaitaika eny raha hisy e!Ny serasera atao dia manga hatrany hatrany ny lanitra, fa ny toa zava-misy dia fibedesana sy kiana mivaivy lava. Ny eto efa betsaka no sosotra fa tsy te hikorontana na rangitina amin’ny fitantanana tsy manjary sy fanjakazakana aza, fa miandry leran’ny fifidianana! Lalaovina amin’izao fomba fiady politika toy ny fitaterana olona hanatrika famoriam-bahoaka ara-politika izao, saingy efa tery ny lalan-kivoahana e! Ny olona tao anatin’ny volomboasary aza milaza fa ireo diso fanantenana tamin’ny 2018 fotsiny dia efa ampy tsy hahalany ilay Filoha ankehitriny. Mbola hisy ve ny fahagagana? Mbola hinia hiziriziry ka hanampatra hery sy fahefana? Raha izao no mitohy, dia tahaka ny fomba nidirany teo amin’ny fitondrana ihany no hiafaran’izao fitondrana ankehitriny izao. Hatao sorona amin’ny fitiavam-pahefana sy ny hambo-po diso toerana hatrany ve ny firenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

eo amin’ny firenentsika. Tena misy eto famotehan’olona mivantana na ankolaka,

Card image cap
16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap