ny fahavorian’ireo olobe amin’ny politika eto amin’ny Firenena mitondra ny heviny momba ny raharaham-pifidianana. Sary nanamarika izany ny teny Iavoloha omaly, izay nanasan’ny filoham-panjakana am-perin’asa ireo Filoham-pirenena voafidim-bahoaka roa teo aloha dia Atoa isany Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, irao filoham-panjakana roa teo aloha dia Atoa Norbert Lala Ratsirahonana sy Rivo Rakotovao,… Mampiseho sy mahavelom-panantenana fa azo atao ny miresaka sy mifampihaino amin’ny raharaham-pirenena. Irariana mba tena handeha an-kahitsiana, ary mba ho ny soa iombonana ho an’i Madagasikara tokoa no hiadian-kevitra. Enga anie ka tsy hiverina intsony ny sary teo aloha, toy ny nitranga tamin’ny 2018, fa mba hakana lesona. Raha hiverenana mantsy ny tantara, nifampitantanana sy nifampisakambina teny an-kianja ny antoko roa izay nifanandrina am-polo taonany, ka nifamarafara fa tsy ho mpifahavalo sy fifaninana masina ny fifidianana, kinanjo nandeha ny noheverina fa mpifanandrina politika niraisina no nalavo fa ny ady an-kafetsena nitohy ihany, tsy niova ny fomba fanao maloto ara-pifidianana, nifanaritaka teo,… Ny irariana dia ny mba hametrahana fitsipi-dalao mazava, arofanina politika tsy azo hozongozonina, rafitra sy lamina mitodika any amin’ny tena fampandrosoana ny firenena amin’ny lafiny rehetra : politika, toekarena, sosialy,… Andraindraina araka izany mba tsy ho sanatrian’ny vava ho tsy hiredareda am-boalohany toy ny afo mololo fotsiny kanefa mora levona, fa tena mba hanangana Firenena vanona sy mandroso anatin’ny firaisankina sy firaisantsaina.
Toky R