ity fiainana ity. Nanana ny antony nambarany ho tokony hanaovana izany hatrany moa ny lehilahy tao anatin’izay tononkirany izay fa ny fiainam-pirenena koa, raha ny fandinihina samihafa hatramin’izay, na dia tsy miafina aza ny hoe tena firenena taraiky amin’ny fandrosoana isika izao, dia heverina fa mila entina milamina ihany koa! Inona moa no antony tokony hitondràna azy milamina? Tsy resaka hoe lamina ara-potoana akory angamba, sanatrian’izany, ka dia hiverina eo indray ny fomba fiteny hoe toa tetezamiitatra izy izany! Entina milamina amin’ny resaka fomba fandraisana fanapahan-kevitra sy fomba fiasa no heverina fa fahamarinana tsy azo hihodivirana anatin’izay rehetra izay. Tsy miafina fa raha ny tsikera heno mikasika ny fomba fitondràna ny firenena ankehitriny heno etsy sy eroa, indrindra, avy amin’ireo mijoro ho manohitra an’izao fitondràna izao aloha izany, ohatra, dia ny hoe «ny tsy nety nataon’ny teo aloha ihany izy izany», «zava-doza na «pire» aza!», «fitohizan’asan’ny teo aloha angaha no nifanarahana?», «fanavaozana izy ity sa fahavoazana?». Santionan’ireo tsikera heno izany ary raha sanatria tokoa izany ny mpitondra ity firenena ity manomboka eto, na ho an’izay mitondra amin’izao fotoana izao io na izay handimby azy eo, ka mbola tafitohina amina karazana tsikera toy izany toy an’izay fitondràna hafa maro teo alohany, dia tena ho voamarina kokoa ny hoe ny teo ihany tokoa no teo. Ny ahiana aza dia hitombo ny hoditr’akondro mampibolisatra toy ny fakam-panahy «hi-werawera» na hoe hanao fihetsiketsehana ivelany fotsiny tsy hitondra soa sy fandrosoana ho an’ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy na tsy hitondra soa ho an’ny fiainam-bahoaka akory. Enga anie mba hahay hitondra milamina amin’izay izay hitondra rehetra eto fa tsy handray fanapahan-kevitra taitaitra mety hampijabaka lalina kokoa ity firenena ity noho izao toerana misy azy izao intsony!
J. Mirija