airtel

Edito

14-oct-2025

Eto am-piadiana fototra

«Hanangana rafitra vaovao!»,

Sample post image

Hanova ny fomba fitantanana eto Madagasikara!»,

14-oct-2025

Hanafoana ny kolikoly sy ny tsy rariny!», santionany amin’ireo hikiaka eny an-kianja eny izany amin’izao fotoana izao ao anatin’ny antsoina hoe tolona. Samy efa miaiky moa ankehitriny, hatramin’izao hery ara-tafika, fa tolom-bahoaka izany io nahazo fototra sy nahazo ny kianjan’ny 13 may ihany io ny farany rehefa avy nandalo sedra mahamay maro nanomboka ny 25 septambra 2025. Efa mpandresy isika io, hoy ny kolonely iray isan’ny tena nanamarika izao tolona izao tao amin’ny CAPSAT tao. Mandeha izany amin’izao fotoana izao ny adihevitra marolafy mikasika ny hoe inona tokoa ary ilay ho atsangantsika manomboka eto, eto amin’ity firenena ity? Rafitra manao ahoana? Governemanta hitondra inona na hitondra mankaiza? Isan’ny misongadina ny hoe tsy azo ihodivirana, ohatra, ny fitondràna miaramila na ilay antsoina mahazatra hoe «directoire militaire». Misy koa ny mandinika dia mahita ihany hoe mety azo atao ny miditra amin’izany fiaraha-mitantan’ny tafika sy sivily na «gouvernement militaro-civile» izany. Ny misongadina indrindra nefa ao anatin’izay dia ny hoe mila manangana rafitra vaovao mifanaraka amin’ny maha malagasy antsika isika io fa tsy nalaina tahaka be fahatàny amin’ny an’ny hafa foana. Lalana mankany amin’ny repoblika fahadimy isika io, hoy ny fanazavàna hafa. Eto am-piadiana fototra amin’izany rehetra izany isika io, araka izany, ankehitriny. Mandeha aloha ny hetsika eny an-kianja. Mandeha miaraka eny koa ny fihetseham-po samihafa. Misy amin’ireo solombavambahoaka sasany no efa sahy nilaza teny imasom-bahoaka teny fa rehefa tsy mametraka ny fialàny hatramin’ity anio ity ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao dia hiaraka hirohotra hanala azy any amin’ny misy azy any ny eny an-kianja. Tena izay famerenana ny zava-nisy teo amin’ny tantara tamin’ny 16 taona lasa na tamin’ny 16 taona mahery talohan’izay ihany ve izany no mbola ho averina sy tena tadiavin’ny vahoaka indray? Tsy maintsy mandeha amin’izany lalana izany ve ny atao hoe fanovàna? Fanontaniana mipetraka amin’ny rehetra io ary fanontaniana mipetraka amin’ny filoham-pirenena sy ireo heverina ho forongony ihany koa. Ny an’ireto farany moa azo ampiana ihany koa hoe azo nomena malalaka toy izao ihany ilay kianja dia naninona no tsy namelàna raha tsy nisy rà nandriaka sy aina maro nafoy mihitsy? Tena tsy maintsy nandalo ireny lalana ireny ve ny mpitondra ankehitriny vao afaka nanome io kianja io? Tena sarotra ihany koa ve ny mamaly ny hetahetan’ireo eny an-kianja toy ny hoe «Miala Rajoelina!», raha toa ka izao tontolo izao mihitsy no efa namoaka tombana sy miaiky fa firenena mahantra indrindra eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ity nosy nontantanany nandritry ny 7 taona fara-fahakeliny ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

hatrany am-boalohany fa tena mbola

Card image cap
07-nov-2025

indray ity ny fahatapahan’ny rano,

Card image cap