kokoa, ny hoe «Ho an’ny tanindrazana!». Entina ilazàna izay fa manomboka eo ny mpitandro filaminana iray dia tsy misy himasoany ankoatran’ny fanasoavany ny mpiara-belona aminy na koa hoe mpiray firenena aminy amin’ny alalan’ny fiarovana ny ain’ireo sy ny fananany. Tontosa araka ny tokony ho izy ve izany voady izany, raha mijery ny zava-misy eto amin’ny firenena isika hatramin’ny androany? Samy afaka mamaly izany, araka ny hitany eny amin’ny fiarahamonina misy azy avy eny ny rehetra. Tsikaritra tanatin’ny 10 taona farany teo ho eo koa, etsy ankilany, ary hita ho noraisin’ny maro ho toy ny teny filamatra kely rehefa ilay maka sary aparitaka anaty tambazotran-tserasera iny rehefa mamboly hazo, ohatra, ny teny hoe «Ho an’ny tanin-janaka!». Iza tokoa moa no handova ity firenena ity atsy ho atsy raha tsy ireo zanantsika, ireo taranantsika? Milaza ny fitondràna ankehitriny fa tsy afaka ho arenin’izao fitondràna izao anatin’ny 8 volana na 6 volana ny takaitra navelan’ny zava-nisy teto 16 na 17 taona. Inona tokoa moa no mahadiso izany? Fanontaniana mifanindran-dalana amin’izay koa nefa ny hoe dia hila firy taona na hiandry firy taona kosa aza izany vao hanarina? Nitovitovy tamin’izany ihany koa ny nambaran’ny fitondràna teo aloha raha vao nandray fitondràna ny taona 2018. 7 taona taty aoriana, tsy hita izay fanarenana vitany teo fa vao mainka aza nandà tena nidina teny an-dalambe mihitsy ny tanora teto amin’ny firenena isam-paritra niray feo nitaky hoe «Mila fanovàna» eto amin’ity firenena ity. Efa hatramin’ny taona 2010 ihany koa no nanakoako ny fitakiana izany hoe «fanorenana ifotony», «fanovàna ifotony», «fitsinjaram-pahefàna tena izy» sy ny toy izany rehetra saingy ny 25 septambra izany vao nipoaka ny tsy firaharahiana ny otrikady nateraky ny tsy fihainoana ny hetaheta momba izany rehetra. Samy mahatsapa izany izay afa-nandinika sy mbola afa-mandinika rehetra fa mila tsy ajanona amin’izao toerana misy azy izao intsony ity firenena ity. Samy manana ny fomba filazany azy. Ao ny miteny hoe mila fanavaozana. Ao ny hoe mila fanovàna. Ao ny hoe mila fanorenana ifotony sy ny hafa maro tsy voatanisa ary izany rehetra izany no hatao, raha tena tapa-kevitra amin’izay tokoa isika, dia tsy ho antsika ankehitriny izao loatra intsony fa ho an’ny hoavin’ity firenena ity. Mba tsy handova dezaka ny taranaka, hoy ny mpanakanto iray izay. Asakasak’izay mbola hanaiky ho lembenana na ho vidiana amina harena hamoizam-panahy toy ny hita maro hatramin’izay, noho izany, satria dia ho an’ny taranaka ity ezaka ankehitriny ity. Ho an’ny tanin-janaka!
J. Mirija