Malagasy ka sanatrian’ny vava izay tsy matin’aretina noho ny poizina maty noho ny tsy fananam-bola hitsaboana tena, matin’ny fahantrana sy adim-piainana ary hanoanana, matin’ny tsy fandriampahalemana,… Zava-doza mihantra aman’aina no mitranga kanefa sanatrian’ny vava toa ezahana hamaivanina, sarontsaronana,… Tsy hita izay tena zava-marina sy mahomby lazain’ny Fanjakana, raha tsy hiresaka afatsy io raharaha fahapoizinana io. Sanatrian’ny vava toa nitady izay hamaharana ka nolazaina fa fanapoizinana niniana natao ohatra ny tetsy Ambohimalaza. Io anefa fa misy zavatra mitovitovy tamin’izany any Ambositra, dia hailika sy holazaina fa iza indray no tompon’antoka ? Mandrak’ity ny androany tsy hita izay tena fanefitra kanefa ny Filoham-pirenena izao no nanao kabary fa nalefa notiliana any an-dafy. Tsy resaka finiavana hisintona lakolosy fa ain’olombelona no resaka eto, kanefa mandrak’ity ny androany tsy hita izay tena fanafana, na ekena aza fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitsabo. Tsy te ho tompon’andraikitra ny Fanjakana, kanefa iaraha-mahita ny lesoka samihafa, toy ny delestazy izay mitera-doza sy miitatra any amin’ny fatiantoka ara-toekerana samihafa. Ny sakafo tehirizina anaty vata fampangahatsiahana simba ka mitera-doza ka mety anisany io fahapoizinana ara-tsakafo io, ny fihariana mandeha amin’ny herinaratra tapitra potika sy rava,… Tena fampahoriana manara-penitra ! Vokatry ny toe-draharaha ara-pahasalamana, mihena ny fifampatokisana eny amin’ny fiarahamonina, lasa mifampieritreritra fifamosaviana, mitotongana ny asa fihariana manodidina ny resaka sakafo,… Marina fa mety ho mpitranga ny ankasomparana, vorika,… saingy betsaka ny ambana sy risika hisiana loza faobe noho ny tsy fahombiazana entin’ny Fanjakana : herinaratra, fanaraha-maso ny varotra sy fanjifana,… Indrisy anefa fa toa tsy dia maharototra firy ny fitondrana izany na ekena aza fa misy ny fanirahana minisitra hitsapa alahelo sy haneho fa mandray andraikitra ny Fanjakana. Olona hatrany amin’ny 40 no maty anatin’ny fotoana fohy, saingy tsy mahasakana ny fitondrana hanao fety aman-danonana, hanao sehoseho ivelany,… Tsy misy hatreto na iray andro monja hanaovana fisaonam-pirenena hanehoana fiaraha-miory kanefa resahana foana ny hoe : soatoavina Malagasy, izay zary lalaovina amin’ny fiarovan-tseza angamba sisa. Asa inona loatra re no antony sy ambadik’izany e ?
Toky R