airtel

Edito

14-juil-2026

Fanahy maty…

Miha ratsy dia ratsy hatrany amin’izao

Sample post image

fotoana izao ny fiarahamonina eto

14-juil-2026

amin’ity nosy malalantsika ity. Tsy miafina amin’ny mpiray tanindrazana ny zava-misy. Miha manjaka sy mahazo vahana ankehitriny ny fitsaràm-bahoaka. Misy tranga ahitàna mihitsy moa tafiely eny amin’ny haino aman-jery samihafa eny fa miraviravy tanana hatramin’ireo antsoina hoe mpitandro filaminana manoloana vahoaka mafàna rà mandatsaka ain’olona sy mandoro izany avy eo. Maha lasa saina ireo manam-panahy ny zava-miseho ary mampametra-panontaniana hoe efa maty fanahy ve isika ity? Mba tsy ilazàna hoe biby na manan’aina tsy manam-panahy no mahavita toy ireny dia ny azo ilazàna azy angamba dia hoe sanatria efa fanahy maty. Matory tsara ve izany ireo izay nandray anjara rehetra tamin’ireny karazana fitsaràm-bahoaka samihafa teto amin’ny firenena ireny rehefa tonga ny alina? Firy tamin’ireny niharan’ny fitsaràm-bahoaka ireny moa no voaporofo aty aoriana fa tsy meloka akory? Tsy efa nisy teto amin’ity firenena ity ve izany kanefa dia io mbola miverimberina io hatrany indray ilay tranga hitsaràn’ny firenen-kafa antsika malagasy ho mbola olondia na «sauvage»? Ny tena mahagaga indrindra dia ny fahanginan’ireo heverina fa raiamandreny eto amin’ny firenena manoloana ny toe-draharaha misy. Ao ny FFKM, ireo raiamandreny ara-drazana, ny fivondronan’ny mpino Miozolomanina sy ny hafa maro tsy voatanisa. Mampihoron-koditra sy mampihorohoro tokoa ny trangana halatr’olona sy fikitihana ain’olona ataon’ireo heverina fa efa nivaro-panahy mierona toy ny liona eto amin’ny firenena hatramin’izao. Famonoana olona saika isan’andro, fakàna taova, habibiana rehetra ity vitan’izy ireny toy ny fanao amin’ireo biby fihinana na akoho amam-borona samihafa. Habibiana ihany koa ve izany no tokony ho avalin’ireo heverina hoe olompirenena vanona eto amin’ity firenena ity sy mbola manam-panahy na eo aza izany tranga rehetra izany? Anjarantsika ve ny famaliana sa izay ilay maso solon’ny maso sy ny tahaka izany rehetra? Enga anie mba ho velona indray ireo sanatria efa fanahy maty!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Mbola mahavaky vava ny

Card image cap
21-juil-2026

no nitsangànan’ilay fitondràna antsoina hoe

Card image cap