airtel

Edito

23-avril-2024

Fandemen-tsaina !

Fandrosoana tapitr’ohatra, fampanantenana zavon-tany,

Sample post image

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

23-avril-2024

izany no miseho amin’ireo dian’ny mpitondra mandeha mitety faritra. Manao fitaovana ny vahoaka liana te hahita sy manantena hahazo fanomezana hividianana ny safidiny amin’ny fifidianana. Mangotraka ny delestazy sy fahatapahan-drano dia taitairina amin’ny hoe: hanafatra vazaha hitondra fanarenana. Toa minia mandositra ny renivohitra sy tsy sahy miatrika olana, fa dia mamorina fihetsiketsehana any ivelan’ny faritra, mampanantena an’izatsy sy izaroa satria anaty vanim-potoanan’ny fifidianana indray isika io. Totofana fampanantenana izay diavina mba ho tonitony, fa ny hafa izay hipoahany any irehetany. Miandry filankevitry ny Minisitra mitety faritra avokoa izany ireo faritra maro vao hamboarina ny làlana potika any amin’ireny? Mba firifiry moa izay fampanantenana nolazaina fa hatomboka alohan’ny faran’ny taona izay? Iny nifoha iny indray ny “voie rapide” ao Toamasina nametrahana vato fototra tamin’ny 2019, asa manao ahoana ny orinasa fanamboarana ethanol any Ambilobe, ny fly over etsy Andohatapenaka sy Anosizato, ny Autoroute makany Imeritsiatosika, ny autoroute makany Toamasina izay ny tanimbarin’olona no voatrongy tsy misy fanonerana fa ny asa tsy hita izay niangana,… Ny herinaratra 400MW tao anatin’ny 5 taona lasa moa dia namatotra tanteraka nanaporofo ny lainga raofina raha tarafina amin’ny olana ankehitriny. Ny sary mitranga ankehitriny, dia sanatrian’ny vava toa manao toham-boivoy ny olana ka ny eo tsy mivaha ny eo misosoka ihany. Mizaka ny tsy eran’ny ainy noho ny tsy fahaiza-mitantana ny Malagasy, lalaovina ny fahantrany, hararaotina ny fahalemeny, potehina ny fampianarana tokony hanokatra ny mason-tsainy,… Zanahiny ankolaka na mivantana hanaiky fa izao no mety, tsy afa-manoatra sy tsy afaka mankaiza fa mila miaina amin’ny zava-misy, terena hanaiky fa izao no atao hoe: fandrosoana, rahonana amin’ny herim-pamoretana na filalaovana ny fahefam-panjakana sy didy tsy azo hivalozana fa mitera-doza ny tsy fanekena ny mainty ho fotsy,... Misy fetrany anefa ny zava-drehetra, ary efa manomboka betsaka no tonga saina, manomboka maro no mijoro sy mandinika ny tokony hatao,… fa tsy afaka ny hiraviravy tananana eo anatrehan’ny famotehana firenena sy fampijaliana vahoaka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

amin’ny ambarany fa fahombiazany eo anatrehan’ny faharavan’ny firenena miseho amin’ny endriny maro ?

Card image cap
02-mai-2024

tsy mety mandroso mba tsy hilazana hoe tsy maintsy mihemotra hatrany aloha hatreto no miseho.

Card image cap