airtel

Edito

22-août-2022

Edito

Feno aina fofoina

Sample post image

Mahita ny filazana ny fakana ny sarin’ny entan’ny filoham-pirenena ho isan’ny fifofoana ny ainy tamin’iny herinandro iny dia lasa ny saina ankehitriny.

22-août-2022

Tsy efa feno aina fofoina tokoa ve amin’izao fotoana izao eto Madagasikara amin’ity vidim-piainana miakatra isan’andro ity? Ny tsy fandriampahalemana koa ao anatin’izany. Ny delestazy mamono fihariana maro. Ny lalana simba mampihena vola miditra na koa mampihena fivelomana miditra ho an’ny betsaka. Ny trafikana volamena izay tena nateti-pitranga mihitsy tao ho ao ary mbola misy fiantraikany goavana amin’ny toekarem-pirenena sy ilay resaka fihariana rehetra teo koa izany. Raha misy ny aina fofoina isan’andro vokatr’izany dia heverina fa ny aim-bahoaka miha mitrongy vao homana isan’andro, isan’alina io. Feno aina fofoina ny tanana ary tsy inona no mifofo ny ainy fa ity rafitra sy fomba fitantanana tsy mety mahatafavoaka antsika hatramin’izao ity hatrany. Mivoaka ny trano ianao mitebiteby sao hisy hanendaka sy hangarona ny paosy. Mitoetra ao an-trano matahotra sao hisy hamaky na handoro ny trano. Mba mivoaka alina izany moa dia efa asa fotsiny fa sady efa mitaintaina no mbola mampitaintaina ny ao an-trano ihany koa. Izay aleha rehetra dia ilana fahamailoana daholo satria ny tena marina dia ilay fiarahamonina voataiza tao anatin’izao rafi-pitantanana ankehitriny izao mihitsy no efa lasa mifamono na mivantana io na an-kolaka fa tsy mahay mifamelona intsony. Ny mifamono amin’ny alalan’ny fifanambakana eny an-tsena. Ny sasany moa dia tsy menatry ny mandatsak’aina mihitsy. Resahana foana ny hoe fihavanana, firaisankina, fifampitsinjovana. Izany, hono, no soatoavina naha malagasy ny Malagasy nefa aiza ny toeran’izany izao ankehitriny? Ny mpitondra mifandimby, mbola hita ho isan’izany koa aloha hatreto ny ankehitriny, manabe ny vahoakany amin’ny valifaty politika. Ny vahoaka entina moa efa samy maka ho azy sisa ka dia omena ny mahereza, hoy ny fitenin’ny tanora izay izany aloha hatreto, ireo mipetraka ho raiamandreny maniry sy miasa mafy mba te hamerina ireny soatoavintsika ireny.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap