airtel

Edito

20-déc-2023

Fijotsoana manara-penitra

Andeha atao hoe 5 taona sy 3 andro izany izao

Sample post image

no nitondran’izao fitondrana izao ny firenena.

20-déc-2023

Fijotsoana manara-penitra, raha fintinina hatreto, no azo notsapain-tanana indrindra. Mijotso na mikororoso mihitsy, indrindra, ny lafiny toekarena. Ambany dia ambany ny fahefa-mividin’ny mponina ary io tombanan’ny tahirim-bola iraisampirenena ho hatramin’ny 68 miliara Dolara io mihitsy moa ny trosa vaovaon’i Madagasikara manomboka eto hatramin’ny 2028. Ny Ariary ity miha mitotongana efa nihoatran’ny 5000 Ariary ny Euro. Isan’ireo firenena mahantra indrindra ilay Madagasikara ary faharoa maneran-tany amin’ny firenena manana mponina noana indrindra saingy betsaka, hono, ny ezaka natao sy fampandrosoana nentina, hoy ilay filoham-pirenena. Madagasikara tsy maintsy mandroso no hampanantenaina hatreto fa Madagasikara tsy mety mandroso hatrany kosa no miseho.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

eo amin’ny firenentsika. Tena misy eto famotehan’olona mivantana na ankolaka,

Card image cap
16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap