airtel

Edito

20-oct-2023

Fitandroana horohoro

Mazava hatramin’ny alarobia 18 oktobra teo rehefa naheno ben’ny

Sample post image

tanàna niaraka tamina depiote iray teny Antsimondrano teny niombom-po nilaza fa “fahavalo”

20-oct-2023

ireo tsy mitovy fomba fijery amin’izy ireo na dia samy malagasy izao ihany aza fa ny hampiady ny samy malagasy izany izao no miharihary fa tanjon’ireo tomponandraiki-panjakana miaradia amin’izao fitondrana izao! “Ny handemy ny sain’ireo” moa no tanjontsika, hoy izy ireo fanampin’izay. Niharihary izany aloha fa tsy fampandrosoana, araka ny lalalalain’izy ireo amin’izao fotoana izao no tanjony ho an’ity Madagasikara ity fa ny hampifahavalo ny samy malagasy sy ny handemy saim-bahoaka. Gaga ianao hoe izany ve no mendrika ho antsoina hoe mpitondra na raiamandreny? “Madagasikara tsy mety mandroso!” fa vao mainka niha nahantra tao anatin’ny 5 taona no hita nanomboka ny taona 2019 no ho nankaty dia ahoana tokoa moa no inoana fa ny mpitondra na fitondrana nahavita antsika ho lasa isan’ireo firenena miisa 5 mahantra indrindra aty Afrika no hahavita hametraka indray fa “Madagasikara tsy maintsy mandroso!” amin’izao fotoana izao? Nororitina hatramin’ny omaly moa ny resaka famoizan’aina olompirenena iray nolazaina fa nodomin’ny fiaran’ny filoham-pirenena iray teo aloha kanefa rehefa nojerena miadana ny horonantsary nirakitra ny zava-misy dia maty vokatry ny tosika nahazo azy teny an-kianja izany olompirenena izany. Izay ihany koa no nolazaina fa isan’ny antony nampipoaka ireo entona mandatsa-dranomaso sy nandratra olompirenena hatramin’ny zaza narary maro anaty toeram-pitsaboana nandritry ny hetsik’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 11 teny Itaosy teny omaly. Mametra-panontaniana, noho izany, ny ankamaroan’ny mpanara-baovao manoloana izao toe-draharaha izao hoe mbola fitandroana filaminana ve no tontosain’ireo lazaina fa mpitandro filaminana midina eny an-kianja eny amin’izao fotoana izao sa hery famoretana sy fampihorohoroana vahoaka? Heverina angamba fa tena mifanipaka sy miavaka tsara ny antsoina hoe fitandroana filaminana na fitandroana ny fiarahamonina mba hilamina sy ny hoe fitandroana horohoro na fitandroana ny fiarahamonina mba hihorohoro!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

eo amin’ny firenentsika. Tena misy eto famotehan’olona mivantana na ankolaka,

Card image cap
16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap