airtel

Edito

11-janv-2024

Fitantanana amin’ny kisendrasendra !

Sahirana tanteraka amin’ny fametrahana ny

Sample post image

governemanta hiaraka aminy ao anatin’ny 5 taona manaraka ny Filoha ankehitriny.

11-janv-2024

Tsy arakaraky ny fihazakazahana nandrombaka fahefana tamin’ny fifidianana amboletra sy ny fihazakazahana namoaka vokatra narahin’ny fihaninana maika dia maika, fa toa mihisatra, iray volana aty aoriana mbola tsy mety teraka Ambatobevohoka ! Tsikaritra ho sahirana tanteraka satria tsy dia fahita firy izany hoe : manangona CV an’izay te ho Minisitra izany, raha toa ka vao any amin’ny firotsahana sy ny propagandy dia efa hita soritra izany, raha ny fahita hatramin’izay na eto an-toerana na any ivelany. Na ny resaka vina sy programa na fandaharan’asa ihany koa aza moa toa nanjavozavo teny, fa ny fampirevena tamin’ny artista sy ny kifetifety no tena hita taratra tamin’ny propangandy ankoatra ny fihantsiana ara-politika mivantana na ankolaka. Efa endriky ny kisendrasendra ny hoe : laharana 13 tamin’ny fifidianana teo aloha, dia nolalaovina io laharana io tao anatin’ny hoe : « velirano 13 », laharana faha-3 indray tamin’ny fifidianana farany teo, dia nentina amin’ny hoe : « Andry 3 » indray ny fototra hitantanana ny firenena. Tsy ny filalaovana an’ireny, na fiezahana hilalao serasera miainga amin’ny zava-misy no mampandroso fa ny fananana politikam-pitantanana mazava mifandraika amin’ny filan’ny vahoaka sy ny firenena, ny fanananana ekipa mahomby hanatanteraka azy, fisian’ny paikady mazava sy hoenti-manana,… Ny fahita teto mantsy, dia toa nandeha tamin’ny kiserasera sy ny aingam-panahy na koa ny zava-mitranga. Tafakatra CAN ary namiratra ny Barea tamin’ny 2019 dia andao isika hanamboatra kianja manara-penitra manerana ny Nosy ; nisedra ny valanaretina coronavirus izao tontolo izao dia ny Fanjakana no manao na mampanao dokam-barotra mpaminany sandoka milaza fa isika no hamonjy izao tontolo izao hany ka na ny vary foto-tsakafo aza nolazaina tsy mampidi-bola noho ny artemesia ; niakatra ny vidin-tsolika dia mandeha ny kitaitaitra fa hanafatra bus manara-penitra 1000 ; malaza amin’ny resaka fananganana tanàna vaovao ny firenena Afrikanina tahaka an-dry Sénégal dia iny koa isika fa handeha hihazakazaka hanao kanefa mandrak’ity ny androany tsy vita,… Izany ve no atao hoe : fampandrosoana sy fandrosoana ? Tena mahalala an’i Maagasikara sy ny Malagasy ve ilay mpitondra ? Hoentina an-jambany amin’ny kisendrasendra hatrany i Madagasikara ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap