airtel

Edito

16-oct-2025

Fitiavan-tanindrazana sa fahefàna?

Mifandrirotra izany amin’izao fotoana

Sample post image

izao ny fitondràna miaramila nahazo fahefàna

16-oct-2025

tamin’ny alalan’ny hetsi-bahoaka teto amin’ny firenena sy ny filoham-pirenena niongana, Andry Rajoelina. Andaniny, ny fahefàna mandray toerana ato anatiny izay miha mahazo fankatoavana hatrany amin’ireo herivelona isan-tsehatra eto amin’ny firenena toy ireo sendika marobe, ny mpanakanto, ny hery politika samihafa hatramin’ireo fiarahamonim-pirenena isan-karazany, izay nanambara fa tsy fanonganam-panjakàna no nataony fa fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena. Fanampin’izay, hoy ireo hery politika maro sy mpandinika samihafa, dia nisy rafitra ara-dalàna samihafa toy ny antenimieram-pirenena sy ny Fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana na HCC koa tao nankato izany andrim-panjakàna ity. Etsy ankilany, ny fitondràna nampitroatra fidinana an-dalambe noho ny fijaliana ara-drano sy herinaratra teto amin’ity firenena ity, izay mbola mandrokindroky ny sehatra iraisampirenena samihafa any am-pitan-dranomasina any na any amin’ny toerana izay tsy fantatra mazava hoe aiza no misy azy any hiaro ny fahefàny izay ara-dalàna, araka ny fomba fijeriny. Izao tontolo izao nahita ny herisetra, habibiana mihitsy nampiharin’ireo mpitandro filaminana, andeha ho lazaina hoe nihoam-pefy, mba tsy ilazàna zavatra hafa, tamin’ireo vahoaka nidina an-dalambe nikasa hitaky tamim-pilaminana ny mba hamerenana amin’ny laoniny ny famatsian-drano sy herinaratra any an-tokantranony, ny mba hanafoanana ny kolikoly eto amin’ny firenena, ny mba hamerenana ny fandriampahalemana, ny mba hanalefahana ny vidim-piainana, ny mba hanamboarana izay efa hita miharihary rehetra fa tsy mety eto amin’ity firenena ity nanomboka ny 25 septambra lasa teo. Izany rehetra izany, araka izany, no ampahan-javatra niainana teto amin’ny firenena tao anatin’ilay fitondràna mbola midongy fahefàna sy mitati-bolana any amin’ireo firenena heveriny fa afaka hanampy hamerina azy amin’ny toerany any amin’izao fotoana izao. Mpitondra namela ny firenena ho lasa farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany io mitaky ny famerenana azy amin’ny toerany amin’izao fotoana izao io, raha fehezina fohy dia fohy. Tombana iraisampirenena maro niarahan’ny mpanara-baovao nahita no nampiseho izany fa tsy hoe namorona isika. Nanamarina izany ny tahirim-bola iraisampirenena na FMI, ny banky iraisampirenena, ny rafitra misy any amin’ireo firenen-kafa toy ny any Soisa sy ny hafa rehetra tsy voatanisa. Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny. Tena ho an’ny tanindrazana tokoa ve no anton’ilay mbola fidongiana toerana sa ho an’ny fitiavan-tena? fitiavan-tanindrazana sa fahefàna no antony?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

hatrany am-boalohany fa tena mbola

Card image cap
07-nov-2025

indray ity ny fahatapahan’ny rano,

Card image cap