airtel

Edito

05-déc-2025

Forongony!

Rehefa mijery rakibolana

Sample post image

itadiavana ny fanazavàna ny hoe «Forongony»,

05-déc-2025

na amin’ny tenim-pirenena malagasy io na hafa dia mby an-tsaina ny hoe «tarazo», «mpiray tsikombakomba», iray tarika tao saingy tari-dratsy, izany hoe, rehefa jerena izany ny tombana nentin’izany rehetra izany tanatin’ny fiainam-pirenena dia toy ny manazàva hoe ireo forongo ireo no niray petsapetsa tamin’ny famotehana ity firenena ity ka nahatonga azy ho amin’izao laharana gisitra indrindra ara-toekarena eto an-tany izao. Tsy voatery izay niara-niasa tamin’ny fitondràna teo aloha rehetra, noho izany, no antsoina hoe «forongo» na «forongony» fa ireo izay ninia nikipy hatrany kosa nefa efa niaraha-nahita mazava izao ny tsy fetezan-javatra rehetra teto amin’ity firenena ity hatramin’ny taona 2009 mandra-pahatongan’ny 24 septambra 2025. Ireo forongo ireo ilay fatra-pilaza foana hoe «Merci président!». Ny sasany tamin’ireo ilay na tsy mpanaradia ilay fitondràna teo aloha hatramin’izay aza dia sahy niloko volomboasary tampoka teo ny taona 2023 ary lasa nanindraindra be mihitsy fa tena niezaka iny filoham-pirenena nolazain’ny banky iraisampirenena sy tahirim-bola iraisampirenena fa nampahantra indrindra ity firenena ity iny. Izany hoe raha atao mahitsy be ny filaza azy dia raha mba neverina ihany izany karazan’olona izany fahiny hoe malalan-tsaina na «ouvert d’esprit» dia tena lasa tsy nahamenatra azy mihitsy ny lasa TGV noho ny TGV tampoka teo na IRMAR noho ny IRMAR. Izay no mikasika an’ireo forongony nanao fihavin’ny tafara nanohana ny fitondràna teo aloha fa misy koa ireo forongony na efa nahafantatra hatramim-boalohany ka hatramin’ny farany aza fa tsy mety ny nataon’ilay fitondràna teo aloha iny dia nohirahirainy tamin’ireo haino aman-jery samihafa hatrany fa tena mety na tena nahitàna ezaka. Ny sasany moa mody manisy hoe tsy ilay filoha no ratsy fa ny manodidina azy. Efa hita izao fa niha nitondra tany amin’ny fahapotehan’ilay firenena tanteraka ilay rafi-pitantanana sy fomba fitantanana dia mbola nolazain’izy ireo fa mety hatrany na koa hoe lalana mankany amin’izany. Nisy tamin’ireny karazan’olona ireny no sahy nandrangitra ireo mpiray tanindrazana efa nikaikaika tamin’ny vokatry ny tsy fetezam-pitantanan’ny teo aloha. Nisy nahavita nanompa sy nandrahona mihitsy kanefa dia tsy menatra akory mitady avara-patana indray amin’izao fitondràna antenaina hitondra fiovàna izao. Ireny izany no tena forongony aminy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Manahirana dia manahirana

Card image cap
16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap