airtel

Edito

26-déc-2025

Fotoana hihavaozana izao !

Aza zatra ny làlan-dririnina !

Sample post image

Ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona,

26-déc-2025

ary ny taona vaovao izay hodiaviantsika tsy ho ela dia vanim-potoana lehibe tsy ho an’ny kristianina ihany fa ho an’ny olombelona rehetra. Natao hanaovana tombana, hanintsiana ny tsy mety, hanarenana ireo lesoka,…. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fanavaozana isika, fa fotoana lehibe hihavaozan’ny isam-batan’olona ny tahaka izao. Fotoana hametrahana sy hamaritana ny fiaingana vaovao hanana fiainana tsaratsara kokoa, hahafahana mahavita zavatra mendrika sy mahomby kokoa,… Mazava ho azy fa tsy ny taona ihany no ho vaovao, fa ny fomba fiaina sy fisaina dia tokony hihavao tanteraka, ary raha te hanao zavatra sy hanova zavatra dia mila hay ny maka lesona amin’ny teo aloha ka hahafahana mahita vokatra kokoa. Ny fiainana andavanandro izany, fa na ny politika aza, dia mazava ho azy fa fotoana izao hitsipahana ireo tsy fanjariana samihafa, fa tsy sanatria ny olona sy ny mpitondra no niova fa ny fanao mbola ny omaly tsy miova. Toa mbola mitoetra ihany mantsy ny an’ny sasany, indrindra ireo zavatra ny lalan-dririnina teo aloha ny fizahozahoana, ny fiheveren-tena ho zavatra, hany ka na heverina fa efa ao anatin’ny fahalemena na « en position de faiblesse » aza dia mbola midingin-drambo sy mikomy. Izay tokoa angamba ilay zatra ny làlan-dririnina, mihevi-tena ho tompon’i Madagasikara, mihevi-tena ho tsy maty manota,… hany ka mbola sahy mihantsy ady sy manao tsipaky ny miala aina. Mbola mitoetra ny kolontsain’ny avonavona sy ny fizahozahoana ary ny fiheverana ny hafa ho zinona, ka adino fa raha tokony hipetrapetraka sy haka sisiny amin’izay, ary mba handinin-tena dia ny fiheverana fa hanao maritiora no heverina fa lalana mety. Lesona izao zava-misy izao ho an’ny mpanao politika fa misy farany sy misy fetrany ny zava-drehetra. Tsy finiavana hiantso sy hamporisika fifanenjehana lava eto tsiahivina hatrany koa ilay hoe : tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, izay mamafy rivotra tsy maintsy hijinja tadio,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Manahirana dia manahirana

Card image cap
16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap