airtel

Edito

07-juin-2022

Edito

Halatra sy fanambakana

Sample post image

Tontolona halatra sy fanambakana, izay ankehitriny no azo hamintinana ny ankapoben’ny tontolo iainana eto amin’ity Madagasikara ity. Ankapobeny moa satria soa ihany fa mbola misy ireo fiarahamonina ambanivohitra maro mbola hita

07-juin-2022

 voarabe iray mila koloina mba hitazona hatrany ireo soatoavina sisa tsy very momba izany atao hoe malagasy izany. Ny ety an-tanàn-dehibe moa dia veloma lava, hoy ny fitenin’ireo olon-dehibe taloha, raha tsy hoe dia tena hisy fitondrana fiovam-penitra filamatra mahery vaika avy amin’ireo mpitondra sy mpitantana eto amin’ity firenena ity sy ireo kaominina isanisany angamba. Ny jiro sy ranonao tapaka isaky ny mihetsika nefa ny faktiora midangana hatrany. Halatra sy fanambakana izany. Ny tambazotran-tserasera lany vetivety nefa tsy mahafa-po. Izany koa dia efa halatra sy fanambakana ihany koa. Ny tolotra omen’ireo tambazotram-pifandraisan-davitra mihena no sady miha lafo ary firifiry moa izay fitarainana heno mikasika ny fahana voatroka tampoka izay? Mbola halatra sy fanambakana an-kolaka ihany koa. Izany rehetra izany tsy misy fampandrenesana mazava sy araka ny fotoana ilan’ny mpanjifa azy fa dia atao tampotampoka daholo. Izany izao no fitarainana sy fimenomenomana henonao isan’andro. Mbola tsy resahana aza itony fanjifana fahitalavitra amin’ny alalan’ny satelita na tontolo nomerika itony fa dia indrisy fa toy ny lasa kolontsaina eto amin’ny tanana ny halatra sy ny fanambakana. Hatreny an-tsena vao maheno fotsiny ireo mpivarotra fa hiakatra hono ny karaman’ny mpiasam-panjakana dia efa iny fa hatramin’ny avo roa heny na maherin’izany mihitsy koa aza ny azy ny fampiakarany ny vidin’entany mba hampiakarany be ny karamany. Niafarany izao lasa lamaody izao ny halatr’olona ety an-drenivohitra. Iza no nampianatra? Iza no filamatra? Misy ny fitenenana hoe avy any ambony ny ohatra ka dia samy mandinika sy misaintsaina moa. Ho aiza isika ity ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap