airtel

Edito

26-avril-2021

Edito

Hamadi-belirano

Sample post image

Ny fahalalahana maneho hevitra ity tsy vitan’ny hoe mihemotra fotsiny arak’ilay filaharana nivoaka

26-avril-2021

 

 

 farany fa tsikaritra ho miofo ho fahalalahana tsy haneho hevitra mihitsy, hoy ny vazivazy zaritenany. Mpanao politika, sendika, fiarahamonim-pirenena, olon-tsotra, tsy misy tsy feno fanahiana manoloana ity fitondrana hita ho miha maneho firosoana amin’ny tsy fahazakana demokrasia ity. Mbola maha te hanamafy hatramin’izao ny fanontanian’ilay kandida ho filoham-pirenena farany teo izay hoe manana ny mpanolontsainy ve ity filoham-pirenentsika ankehitriny ity sa izy mihitsy no sarotra atoro? Mbola hanohy ny lesoka nataon’ireo filoha teo alohany rehetra amin’ny tsy fakana lesona amin’ny tantara ve? Impiry nitera-doza teto amin’ity firenena ity izany fangejana haino aman-jery izany kanefa dia izy izay isan’ny lasibatr’izany tamin’ny fotoan’androny indray ity no tsikaritra ho miha manangam-bovona hamerina izany adalana izany? Tsy mahagaga raha maro ankehitriny ny fanahiana fa hamadi-belirano hatrany mandra-pialany eo amin’ny toerany izao fitondrana mijoro izao. Ekena fa nisy ny kodiam-bato namoizana mpiray tanindrazana maro raha vao nanao ny fianianany andriamatoa filoha, efa ho 3 taona lasa izay. Nanaraka izany ny ranobe niakatra isam-paritra. Tonga indray ity ny areti-mandripaka. Mampametra-panontaniana hoe fa maninona no tao anatin’izao fitondrana izao no nitohivakana toy izany ny loza voajanahary? Anio kosa anefa na izany aza dia averina hatrany fa fiomanana mialoha amin’ny tsy ampoizina rehetra izany hetaheta hitondra fanjakana izany. Hamelona ny vahoaka Malagasy no tokony ho tanjona fototry ny filoham-pireneny sy mpitondrany fa tsy sanatria hamono azy amin’ny fomba mivantana sy an-kolaka. Sao sanatria hivadika ho “Initiative pour l’enterrement des Malagasy” na hoe tetikasa handevenana ny Malagasy, araky ny fanahiana iray izay, tokoa ilay IEM fa tsy tetikasa hanandratana ity firenena ity indray ?

J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap