airtel

Edito

11-avril-2023

Edito

Hangotraka amin’izay

Sample post image

Vita indray iny ny fetin’ny paska! Samy nanamarika azy tamin’izay mba kely tratrany sy nifaly tamin’ny teo an-tanana ny rehetra, na eo aza ny fahasahiranana mandifotr’olona.

11-avril-2023

Irariana mba hitondra aim-panahy sy fanambinana ho an’ny isam-batan’olona. Hiatrika ny fiainana mahazatra indray izao ny rehetra, ary miverina eny ambony kianja politika ihany koa ny mpikatroka amin’izany taorian’iny fiatoana kelin’ny faran’ny herinandro iny. Heverina fa hiha hangotraka hatrany ny toe-draharaha satria niaraha-nahita sy naheno fa ny zoma lasa teo aza, dia toa tsy tena nipetraka firy ny resaka fialan-tsasatra politika. Toa nitondra valin-kafatra miaro tena sy maneho ny fiziriziriana amin’ny heviny ny Fitondrana raha raisina amin’ilay tenin’ny Prefen’Antananarivo, nilaza fa ny Fanjakana no mahita sy mahalala fa tena ahiana ny toe-draharaha ara-politia eto, ahiana ny korontana,... Karazana setriny ho an’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena izay toa nanakiana mafy eo anatrehan’ny fangejana ara-politika tsy ahafahana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana io. Andrasana ihany koa etsy andaniny ny tatitra momba ny lisi-pifidianana, fa indrindra ny ho tohin’ilay dinika politika nisiana tolo-kevitra maro hanatsarana ny raharaham-pifidianana. Ho tonga amin’izay heverin’ny rehetra fa làlana tokony hitondrana azy ve? Ny zava-dehibe aloha dia ny fijoroan’ireo Raiamandreny am-panahy eo anatrehan’ny toe-daharaha misy eto ka ny irariana dia mba ho tonga amin’ny tena lamina mizotra any amin’ny tombotsoam-bahoaka fa tsy tombotsoa politikan’ny vitsy an’isa. Izany rehetra izany eo ihany fa asa ihany koa hoe: rahoviana vao hisy hahita sy tena hijery ary hitsinjo ny vahoaka maro an’isa mitrongy vao homana? Ny hita mantsy, toa variana miady sy mitady izay ho rirany ho azy ny mpanao politika isan-tsokajiny, ary samy mitanisa sy miresaka tombotsoam-bahoaka,… Rehefa tena zohiana anefa, politikan’ny seza sy fahefana no mahamaika ny ankamaroany, fa izay fahoriam-bahoaka mahantra fadiranovana any toa atao fitaovana sy tohatra fiakarana lava! Asa raha mba hipaka any amin’ny politisianina Malagasy ilay antson’ny Raiamandreny am-panahy iray hoe: aoka tsy atao bizinesy ny firotsahan-kofidiana, ary tsy hovidiana sy hotambatambazana amin’ny zavatra tsy manao ahoana ny vahoaka madinika?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap