airtel

Edito

26-avril-2023

Edito

Hatao ringa ve ny firenena?

Sample post image

Mbola samy mametra-panontaniana amin’ny hoavy politikan’I Madagasikara ny rehetra amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

26-avril-2023

Mbola samy mieritreritra sy maminavina hoe: inona no hiseho aoriana kely? Hilamina ihany sa sanatrian’ny vava hiditra amin’ny krizy lalina? Na inona na inona aloha mety ho endrika isehoany, dia heverina fa ho eny ambony latabatra ihany no hiafarany. Hiandrasana ho tonga amin’ny korontana sy sakoroka ve anefa vao ho tonga any amin’izany? Raha ny sary politika ankehitriny mantsy, miha mafana ny fampisehoan-kery sy ny filazana fa mafy sy tsy resy amin’ny zavatra rehetra na politika io na fanatanjahantena. Mandeha ny fanambazana sy fampitenenana vondron’olona sy olom-boafidy hanao fanambarana fa mbola manohana ny fitondrana am-perinasa. Ny fomba fiady efa teo aloha ihany anefa no miverina tahaka ny fizarana moto ho an’ny ben’ny tanàna, izay ho tapitra amin’ity taona ity ny fe-potoana iasany, raha ny tokony ho izy. Tsy nahomby tamin’ny teo aloha izay nibata 8% io resaka fanambazana olom-boafidy eny ifotony io rehefa mamay ny fitantanana ka hisy ve ny fahagagana amin’ity indray mitoraka ity ho an’ny mpitondra ankehitriny? Tsy zoviana amin’ny rehetra ny fanjakazakana, ny fampifangaroana ny raharaham-panjakana sy ny raharaha politika, ny mety ho fanaovana fitaovana ny fahefam-panjakana, ny volam-panjakana, ny fitaovam-panjakana,… Toe-javatra maneho sy manamafy io, fa tena mafy izany handao seza sy fahefana izany, mety ny hambo-po politika no hoenti-manao amboletra fa tsy maintsy atao hena an-tanantsaka io. Hitazam-potsiny amin’izany ve anefa ny hafa? Ny hita taratra mantsy, misy ny efa tena manao fihetsiketsehana goavana, mandany vola aman-karena, mandrangaranga tanjaka,… ary toa mandefa hafatra an-kolaka fa dia tena vonona hifampitana. Efa nisy ny fifamaliana am-bava ara-politika tany aloha toy ny hoe: tena tompondaka sy tompodaka hosoka,… Sanatria ve ho lasa ringa politika indray I Madagasikara raha tarafina amin’izao zava-misy izao? Izay miteny toa milaza fa babany avokoa ka hivoaka avy amin’ireo efa mampiseho hery sy tanjaka amam-bika sy efa manao dokam-barotra ara-politika ankehitriny ve ny ho mpitarika sy heverina fa hitondra rivo-baovao ho an’ny firenena atsy ho atsy sa mbola mipipirina any ny volamena latsaka am-bovoka?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Adinoy ny lasa fa aza adinoina ny lesony, hoy ny mpilalao sarimihetsika amerikanina sady ikoizana amin’ny haiady malaza maneran-tany, Chuck Norris, izay!

Card image cap
12-avril-2024

Ny ety ambany mbà androtsahy!». Mahatsiaro izany tononkiran’ny tarika Mahaleo izay teraka ny taona 1985

Card image cap