airtel

Edito

08-avril-2026

Hetseo ny herijika avy ato anatiny !

Mafimafy ny tsio-drivotra

Sample post image

ara-jeopolitika eran-tany

08-avril-2026

tena manankorontana ambony ambany ny toekarena eto amin’izao tontolo izao. Tafiditra sy tsy afa-miala ny firenena Malagasy eo anatrehan’ny fiankinan-doha amin’ny akora stratejika toy ny solika izay tsy maintsy hafarana avy any ivelany hatreto. Dia io iarahana mahalala io zavatra mitranga. Ekena ny ezaka ataon’ny Fanjakana toy ny namerana ny vidin-tsolika, io nidirana amin’ny hamehana ara-angovo io,… Tena ahafahana miatrika maharitra ny olana ve anefa ? Tsy maintsy miaina amin’ny zava-misy anefa aloha hatreto, saingy ny toe-draharaha miseho eto ambon’ny tany dia maneho sy fambara fa mitaky lamina vaovao avy ao anatiny ny Firenena tsirairay raha te ho tafavoaka. Mitaky politika ara-toekarena mifototra bebe kokoa amin’ny hery ao anatiny. Eny fa na io toekarentsika io aza dia sarotra ho antsika ny ho tafavoaka raha mbola ny vahiny no mifehy sy mitazona ny 90% amin’ireo sehatra stratejika : angovo, solika, orinasa matanjakan, entana ilaina andavanandro,… Asa rahoviana ihany ohatra isika no tapa-kevitra tena hitrandraka ny solika azo ampiasaina eto amintsika na dia hanodidina ny Jirama ihany aza ? Asa rahoviana vao tena hanomboka ireo toby mpihary herinaratra mandeha amin’ny tohodrano izay toa mbola ny vahiny no andrasana hitondra petra-bola,… Betsaka ireo olana mila vahana, ary ao anatin’ny krizy sy fotoan-tsarotra no tena handrefesana hoe hatraiza ny fahaiza-manaon’ny mpitondra. Irariana mba tsy ho tahaka ilay teo aloha izay niezaka nampandry adrisa sy nampanantena poakady ary rehefa mafimafy dia mandrangaranga hery !
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap
14-avril-2026

fifamaliana bontana ara-politika tato ho ato.

Card image cap