sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsy resaka fifandonana minisitra sy mpikambana vitsivitsy anatin’ny HCC fa ity rafitra ity fa toa mitady hanana endrika ho ny Fitondrana fanavaozana sy ilay andrim-panjakana farantampony nampiady hevitra hatramin’izay. Taratry ny krizy ara-drafitra sy ny filàna fanavaozana eto amin’ny Firenena satria na tiana na tsy tiana, dia mbola eo ny tarazo sy ny tandindon’ny fitondrana teo aloha. Mety samy manana ny handroritany azy arakaraka ny tombotsoany avy ny andaniny sy ny ankilany, fa raha ny fijery ara-politika dia mety mbola eo ilay hoe : mamofompofona ny teo aloha, mifandrohy amin’ny teo aloha, voatendry tamin’ny andron’ny teo aloha,… Isan’ny adihevitra sy nifandroritana eny fa mandrak’ity ny androany aza ny resaka hoe «forongony » izay somary manahirana ihany amin’ny maha samy Malagasy ilay voambolana, saingy izay no sary mitranga. Tsy eo anivon’ny HCC ihany fa hatrany amin’ny antenimierampirenena sy ny maro hafa. Na tiana ihany koa anefa na tsy tiana, nifanamasina ny fitondrana mijoro sy ny HCC noho ny tsio-drivotra niseho, noteren’ny zava-misy, tsy maintsy nijery izay fomba handaminana ny Firenena,… Aty aoriana, mety mandeha ihany ny kajikajy, ny fahatsiarovana ny tongolon’i egipta, ny mety ho fifandraisana politika hafahafa avy ato anatiny sy any ivelany entina haminganana,… Na izany aza, hoentina amin’ny fifaminganana sy fifamotehana lava noho ny adilahy sy ny tombotsoa ve ity Firenena ity fa tsy mba hanana fijery lavitra ho an’ny soa hiombonana ?
Toky R