airtel

Edito

01-sept-2023

Hiseho ny tena tia tanindrazana

Mifarana ny fikaonan-doham-pirenena

Sample post image

tarihin’ny FFKM etsy Mandrimena. Saika hita teny an-toerana avokoa ny ankamaroan’ireo herivelona politika.

01-sept-2023

Ny teo anivon’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiaradia aminy kosa narisarisa. Ao ireo nilaza fa mitondra am-bavaka ny firenena no tokony hataon’ny FFKM fa tsy rebireben’ny mpanao politika. Izany hoe FFKM manatanteraka ny voalaza ao amin’ny baiboly hoe “Zava-poana ny finoana tsy arahana asa.” ve izany mira FFKM voarebirebin’ny mpanao politika? Misy koa ireo milaza fa fitiavan-tenan’ireo mpanao politika sasany ny fivoriana teny fa tsy fitiavan-tanindrazana. Fitiavan-tseza dia ny hanakana filoham-pirenena hita fa tia tanindrazana tsy hilatsaka satria atahorana ho lany fanindroany indray noho ireo asa vitany manerana ny nosy, hono, no nataon’ireo kandida miisa 8 nanao fanambarana iombonana fa tsy tokony avela ho kandida na hitondra izao firenena izao intsony ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Dia ho hita eo tokoa moa. Heverina amin’izay fa amin’ity dia hiseho ny tena tia tanindrazana. Iza no tena tia tanindrazana ary iza no tena tia tena? Iza tamin’ireo filoham-pirenena na filoham-panjakana nandalo teto amin’ity firenena ity no efa nanao mozea nankalazany ny tenany manokana tao anatin’ny fahavelomany? Fitiavan-tanindrazana ve ny nanafenana nandritry ny 9 taona fa nangataka ny zom-pirenen’ny mpanjanaka ianao ary nangataka izany tao anatin’ny fotoam-pitondranao nandritry ny tetezamita? Fa naninona no nafenina tao anatin’ny 9 taona na dia atao hoe tsy nisy nanontany aza fa efa frantsay ianao vao 9 taona monja izay? Inoana fa amin’ity indray mitoraka ity tokoa dia tena hiseho ny tena tia tanindrazana saingy ny hirariana dia ny hoe enga anie mba tsy ho sanatria hisy indray ny taranaka na tena mpamadika tanindrazana!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-mars-2025

rehefa jerena ny fihetsika politika na «comportement politique» an’ireo mpitondra

Card image cap