airtel

Edito

03-juil-2023

Edito

Hitsimbadika ny rasa !

Sample post image

Mitombo hatrany ny tondro manamafy ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana ankehitriny. Mihamaro ny tondro maneho fa an-dalam-paharendrehana.

03-juil-2023

Manomboka mitsefotra ny kajikajy ara-politika samihafa, ary heverina fa porofo miharihary sy fanombohany ihany iny tsy fahombiazan’ny fanonganana birao maharitry ny antenimierampirenena iny. Manomboka mitsimbadika ny rasa, tsy mandaitra ny tsindry bokotra, na koa ny fampiasana ny herin’ny vola. Misy ireo tonga saina, fa ao ihany koa ny mety efa mailo sy miala anaty sambo mialoha sao hiara-dobo ao. Eo anatrehan’ny efa tsy fahombiazana miseho amin’ny endriny samihafa ankehitriny, mbola mandeha ny famakiana ady samihafa. Ny ao anatiny misavorovoro tanteraka, tsy voalamin’ny lehibeny intsony, hany ka mifanipaka toy ny valala an-karona. Ny andrim-panjakana tokony hifameno efa lasa mpifandrina mivantana amin’izao fotoana izao, dia ny governemanta sy ny antenimierampirenena. Sarotra ny toerana misy ilay Filoham-pirenena izay tokony ho mpandamina sy mpandravona. Tany misy olobe tsy miady zaza, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy, saingy matoa tonga amin’izao dia efa tsy voalamina sy voasorotra intsony ny sakoroka politika anatiny. Ady an-tranon’ny mpitondra aza efa tsy voafehy mainka fa firenena? Variana amin’ny ady an-trano sy kajikajy politika, hany ka adino tanteraka ny tena raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Tsy hanaiky ho diso mihitsy anefa, ka arakaraka ny efa tsy fahombiazana sy fanaovana zavatra tsy mety no toa vao mainka hanaovana fihantsiana sy vava tsy ambina. Sanatria toa mihevitena ho tompon’I Madagasikara eto, ka na inona na inona fametavetana atao amin’ity firenena ity dia heverina fa ho vitavita ho azy sy eken’ny Malagasy foana? Misy sokajin’olona toa mahazo manongam-panjakana, mahazo mangorona harem-pirenena araka izay tratrany, mahazo manao trafikana harem-pirenena, mahazo mangalatra mivantana na ankolaka volam-panjakana, mahazo mambotry ireo orinasam-panjakana, mahazo mamita-bahoaka,… ary tsy hanaiky ho diso mandrakariva. Tsy mahalala onina, tsy hanaiky ny tsy fahombiazana, tsy hilefitra izany mihitsy,… fa ny hambo-po diso toerana hatrany no hanaovana sorona ny firenena. Tsy misy mamafy ratsy hijinja fahasoavana izany, tsy hisy fiadanana maharitra eo ambony tsy fahamarinana,... ka anjaran’ny rehetra no mandray lesona! Diavolan-ko lava kilalao mbola ho ela ity raharaham-pirenena ity koa samia ho ela velona mba ahafaha-mandray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

eo amin’ny firenentsika. Tena misy eto famotehan’olona mivantana na ankolaka,

Card image cap
16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap