airtel

Edito

21-mars-2024

Ho aiza tokoa?

Ho aiza tokoa moa izany izao ity firenena ity?

Sample post image

Toa tsy vao izao na omaly ihany no efa nanitikitika io fanontaniana io fa efa

21-mars-2024

hatramin’ireny faharavana marobe niainga tamin’ny taona 2009 ireny mihitsy. Teo no nanomboka maizina ny hoavin’i Madagasikara, hoy ny mpamakafaka politika. Omaly moa izany dia nanamafy izay fanontaniana izay ny mpisehatra politika iray tery amin’ny antenimieram-pirenena tery. Misy olana goavana iniana tsy resahana eto, hoy izy izay. Inona tokoa ary izany ankoatran’ireo efa miharihary ankehitriny toy ny vidim-piainana miha lafo hatrany, ny delestazy, ny fahatapahan-drano, ny faharatsian’ny lalana, ny tsy fandriampahalemana sy ireo maro hafa efa voatanisa isan’andro? Mazava ho azy tokoa fa misy olana fototra ao saingy maninona tokoa no tsy resahana? Maninona no tsy sahin’ny mpitondra ankehitriny, izay heverina ho tokony hanana ny fahefana hamahana izany eto amin’ity firenena ity ny mamaha azy? Ireo olana iniana tsy resahana ireo ve ilay vao nambarana filohana fikambanana vao haingana koa hoe singa miisa 7 sakana ho an’ny fampandrosoana? Maninona tokoa ary ilay olona, na ny marimarina kokoa, ireo olana, no mitoetra tsy mety tafala hatramin’izao? Maninona no firenena no mbola isan’ireo mahantra indrindra eto ambonin’ity tany ity ihany nefa ambara foana fa faran’izay manan-karena amin’ny harena ambanin’ny tany? Tsy an-kibon’ny tany ihany aza fa na an-dranomasina na ambonin’ny tany ihany koa dia tena voalaza foana fa feno eto raha harena voajanahary. Maninona tokoa ary no tsy mety mankany amin’ny fitrandrahana sy fitsinjarana ara-drariny an’izany rehetra izany ny lalana fa dia mbola izao manjavozavo tsy hita hoe ho aiza izao hatrany? Ho aiza tokoa?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap