airtel

Edito

10-juil-2026

Iza no mahazo tombotsoa amin’io ?

Sample post image

Somary difotra ao anatin’ny savorovoro

10-juil-2026

ara-piarahamonina noho ny hala-jaza sy ny vono olona etsy sy eroa ny fiainam-pirenena, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Sarona hatramin’ireo zava-dehibe, toy ny fikaonandoham-pirenena, ny politika ara-toekarena,… Samy manana ny heveriny fa ho antony, fa ny tsy azo lavina aloha dia ny hoe : tsy misy zavatra mandehandeha ho azy sy misehoseho ho azy fa misy antony sy tanjona tiana hahatongavana. Sarotra inoana ny hoe : trangam-piarahamonina tsotra ny miseho, fa tena misy fambolena horohoron-tsaina, savorovoro ara-piarahamonina, fanakorontanana ara-politika,… Eo ny tranga tena miseho toy ny fisiana olona very izay ahitana ny sokajin-taona rehetra, fa misy ihany koa ny finiavana hamboly horohoro sy fanakorontanana saim-bahoaka tsotr’izao. Iza no mety mahazo tombotsoa amin’ireny ? Tsy afaka ny hanilika sy hiampanga ny hafa fotsiny anefa ny fitondrana mijoro fa izao no tena mila hanehoany izany fahefam-panjakana matanjaka izany. Tsiahivina foana fa ny vanim-potoanan’ny olana sy krizy no tena ahafahana mandrefy ny fahaiza-manaon’ny fitondram-panjakana, fa tsy sanatria hanilika ny tsy fahombiazana any amin’ny hafa toy ny fanaon’ny teo aloha. Efa nisy fomba fiasa nampientanentana tany amin’ny fiandohan’ny fanavaozana, toy ny famahana ny olan’ny herinaratra, ny fampiakaran-karama,… izay tokony hotohizana. Mila manaporofo amin’ny asa mivaingana sy azo tsapain-tanana fa tena mahomby, tena mahavaha olana, tena tsapan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fivoaran’ny fiainany ny fahombiazan’ny fitondrana. Marina fa anaty vanim-potoana manokana isika, saingy tsy afaka ny hialokaloka amin’izany fa mila vokatra mivaingana !
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Mbola mahavaky vava ny

Card image cap
21-juil-2026

no nitsangànan’ilay fitondràna antsoina hoe

Card image cap