airtel

Edito

22-févr-2021

Edito

Iza no tena mpanakorontana ?

Sample post image

Nihorohoro ny ankamaroan’ny sain’ireo mponin’Antananarivo mbola tsy maintsy nivoaka ny

22-févr-2021

 

 fonenany avy tamin’iny sabotsy iny nahita ireo mpitandro filaminana nandrakotra ny tanana. Tsy Ambohijatovo sy Analakely irery fa hatrany amin’ny manamorona an’Ankadifotsy, ny teny Tsaralalana, ny teny Antanimena, saika ny ankamaroan’ireo fokontany teto an-drenivohitra dia rakotra “mpitandro filaminana” daholo. Mpitandro filaminana tokoa moa sa hery famoretana? Hantenaina fa hanana saina hahay hiheritreritra anaty fitoniana ka hahavita mamaly samirery ao anatiny ao izy ireo. Andeha ary atao hoe mpanakorontana ireo saika hanao tatitra sy nitondra vahoakany tetsy Ambohijatovo hihaino ny tatitra satria, hono, hoe tsy nanaiky ny hamindra izany teny Soamandrakizay. Tsy maintsy 1 andro nialohan’ny hetsika ve anefa vao afaka niteny ny prefe hoe afindrao eny amin’ny tanin’I “Rajabaly” ilay izy? Tsy efa nanome soso-kevitra nialoha koa moa ve ireo mpanao tatitra hoe tsy maninona fa omeo anay ary 13 may mba tsy hampanano sarotra ny lalana tsy maintsy ho diavin’ireo mpihaino nangetaheta izany tatitra izany? Inona no antony lehibe tena tsy azo nanomezana ny 13 may? Samihafa ve ny hevitry ny hoe tatitry ny solombavambahoaka natao teo tamin’ny andron’ny “73 député” sy izay nokasain’ny Miara-manonja natao teo? Vokatry ny tahotry ny mpitondra izany rehetra izany dia maro ireo nanapaka ny fitadiavany, ny asa aman-draharaha saika ataony, ny fikarakarana taratasy sy ny maro hafa teny afovoan-tanana teny tamin’iny andro iny. Hatramin’ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra aza nikorontana tanteraka ny lalany. Nanampy trotraka ny fitohanana. Satria koa moa tsy navela niakatra ireo taksiborosy avy any amin’ny faritra dia maty andro iray koa izany ireo nikasa hanao raharaha ankoatry ny adilahy politika avy any amin’ireny faritra samihafa ireny. Izany rehetra izany no korontana naterak’iny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana indray mitoraka iny ka asa na iza no tena mpanakorontana tao anatin’izany rehetra izany? Asa koa raha mba ho akan’ireo mpitondra lesona indray izany na tsia. 

J.Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap