airtel

Edito

18-nov-2021

Edito

Kaikerin’ny amboakely tiana

Sample post image

Natao hiahy sy hitsinjo ny vahoaka Malagasy no antom-pisian’ny mpitondra Fanjakana nomem-pahefana tamin’ny alalan’ny fifidianana.

18-nov-2021

 Manana adidy sy tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka nifidy azy, saingy eto amintsika moa toa maneho ny sary rehetra, indrindra tato anatin’ny 10 taona farany fa ny vahoaka indray no toa manana tamberiny amin’ny mpitondra. Endrika maneho izany ny fividianana ny mpifidy amin’ny endriny maro: t-shirt, vola, fanomezana,… ka dia ny olona no mila mifidy ireo nanome zavatra tsy mahavita taona ho azy ho sandan’ny zavatra noraisina. Lasa kaikerin’ny amboakely tiantsika isika satria lojika avy eo raha lasa manitsakitsaka vahoaka izy, tsy fifaninanana haka fahefana hampandroso ny firenena no nihazakazahany teo, fa fahena ahafahana manao bizina sy famarotan-tanindrazana. Ny fahefana nomena azy, dia toy ny mamporisika azy hoe: manao sarintsarim-pampandrosoana mba hanapenana ny mason’ny ambanilanitra, kanefa tsarovy fa mandalo ihany no eo ka mila fenoina ny paosy, kitapo, gony,… Asa manao tsipaky ny miala aina sy tsy mahatoky intsony izay haloaky ny ampitso amin’ity toe-draharaham-pirenena tsy marin-toerana ve dia toa mihazakazaka ny fametrahana fifanarahana hafahafa toa miendrika famarotan-tanindrazana sy toa manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena. Raharaha iray miteraka adihevitra io resaka fikasana fifanarahana hitantana valanjavaboahary io, fa efa maro ny toe-javatra hafahafa niniana natao teto. Betsaka ny zavatra niniana nasisika noterena hoekena teto,… Tany amin’ny famaranan’ny propagandy ny novambra 2018 anie no efa nisy kabary ampahibemaso nilaza fa hivarotra tany amin’ny vahiny e! Dia gaga ve isika raha misy toe-javatra mitovitovy amin’izany miteraka adihevitra eto. Tsy mandà sy tsy misakana fanatsarana sy fampandrosoana isika, fa ilàna fitsipi-dalao mazava sy mangarahara kosa e! Raha io resaka valanjavaboahary io ve izao na marina aza fa ratsy tantana misy lesoka goavana, dia tsy vitan’ny “Fanjakana” lehibe io ny manatsara sy mitantana azy amin’ny volantsika, amin’ny herim-pontsika fa tsy hoe hiantso orinasa karana? Tsy finiavana hitsikera fa tena porofon’ny fahalemena kosa izany. Hafa ny hoe: tsy maintsy mila teknolojia, fitaovana harifomba, vola raha hanao fifanarahana amina fitrandrahana harena an-kibon’ny tany goavana. Ity kosa hamahana gidro, hikarakara ny zava-manan’aina,…. Isika Malagasy mihitsy no efa tsy milamina sy mila mandinika lalina!
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap