airtel

Edito

07-févr-2025

Kajin-tseza

Rehefa resaka eny amin’ny

Sample post image

fiarahamonina na filazàm-baovao mihitsy ny hoe

07-févr-2025

kajy politika na kajikajy politika dia toy ny hoe zavatra ratsy foana izany na koa hoe resaka maloto. Ny politika mihitsy aza moa amin’izao no lazaina hatrany fa maloto, raha vao politika eto Madagasikara no resaka. Averina foana ity hoe tsy nampahafantarina ny vahoaka malagasy mihitsy hoe inona moa no famaritana tsotra izany atao hoe politika izany? Mety ho nampianarina na natsidika fohy tamin’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa na lisea ihany saingy in-dray nitselatra, hoy ny fomba fiteny. Tsy ho amin’ilay itanjonàna ho olompirenena hahalala ny maha zava-dehibe izany politika izany eo amin’ny fiainana an-davan’andro mihitsy fa dia hoe «fitantanana tanàna» no dikany dia izay. Mety voatsiahy in-dray na in-droa ihany ny hoe «fikatsahana izay hahasoa ny tanàna na firenena manontolo ary ny fiarahamonina manerana izao tontolo izao mihitsy.» fa rehefa dila izany ny lisea dia izay ny amin’izany fahalalana fototra mikasika ny maha zava-dehibe ny atao hoe politika izany ary tsy mahagaga raha tsy hita manao ny tena atao hoe politika intsony ny ankamaroan’ny mpanao politika, indrindra, rehefa mahazo toerana politika fa ny voambolana hoe «bizina politika» no lasa heno matetika na ny hoe «marketing politique», izay azo adika malalaka amin’ny tenin-drazantsika hoe varotra politika. Tsy misy resaka mihitsy heno hoe ahoana no tokony ataontsika mpitondra ahafahana mampandroso an’i Kandreho, ohatra, na manavotra an’Ikongo fa ny heno matetika dia ny hoe ahoana no atao ahazoana maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena na ao amin’ny filankevitra kaominaly? Ahoana no atao hifehezana ny hetsi-bahoaka na ny hetsik’ireo mpiasam-panjakàna fa tsy mba hoe ahoana no atao mba ho zakan’ny maro an’isa ny vidim-piainana sy ny vidin-tsolika na koa hoe ahoana no atao hampihena be ny tsy fandriampahalemana ahafahan’ireo vahoaka ireo mamokatra? Tsy isalasalana noho izany ny milaza hoe kajin-tseza no tena mibahan-toerana eo amin’ny fitantanana ny fiainam-pirenena eto Madagasikara fa tsy mba kajy politika.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

andron’ny 17 martsa ! Kihon-dàlana iray nahatanterahan’ny fanonganam-panjakana tamin’izany.

Card image cap
14-mars-2025

sinoa antsoina hoe : Sun Tzu tany amin’ny taon-jato faha-6 talohan’i Jesoa kristy

Card image cap