airtel

Edito

02-sept-2022

Edito

Krizy hikipiana

Sample post image

Ny fitondram-panjakana teo nilaza fa tsy misy krizy eto. Asa hoe mbola hitazona izany nambarany izany ve izy manoloana ity raharaha Ikongo izay nitifiran’ny zandary zana-bahoaka miisa 20 mahery ity.

02-sept-2022

Vao tsy ela koa no nisy ny raharaha Ankazobe izay nahafaty malagasy maherin’ny 30 isa. Manao ny maha diavolana ny sainy daholo ireo tomponandraikitra heverina ho tokony raiamandreny rehetra. Ny governora voalaza ho naneho tsy fahamendrehana tamin’ireo tovovavy vahiny iraky ny mpiara-miombon’antoka. Ny biraon’ny sasany nahaverezana volamena 30 kilao mahery fa hoe nivadika vy kanefa dia mbola samy miriaria eny ihany ny tenany sy ny nandimby azy. Aiza moa no tsy ho heno indray vao omaly ny omaly ny hoe hatramina talen-kabinetram-paritra no mamoaka ny mpamiliny amin’ny basy any anaty biraona mpitandro filaminana? Dia ho gaga koa ve isika raha mba migarigany manao fitsaram-bahoaka hatramin’ireo heverina hatramin’izay ho valalabemandry? Ny raiamandreny miantso fifanatonana sy fifampiresahana lany rora. Efa mampanahy ilay endrika fifandonan’ny samy malagasy ankehitriny, hoy ny mpanao politika iray izay omaly. Dia mbola ho krizy hikipiana tahaka ny rehetra teo aloha indray izany ity.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap