izao ny firenena malagasy. 2 volana teo izay! Tsy azo entina amin’ny fo moa ny fandinihana fiainam-pirenena fa arak’izay maha hoe fandinihana azy izay dia miasa ny maso. Miasa ny sofina. Miasa indrindra ihany koa, mazava ho azy, ny saina enti-mandinika izany rehetra izany. Fanontaniana fototra mipetraka tsy miova dia ny hoe manao ahoana ny fomba fitantanana ilay firenena ankehitriny mitaha amin’ny teo aloha satria miresaka fanovàna isika? Izay fanovàna izay no tena notakiana fatratra tanatin’ireny tolom-bahoaka natao farany teo ireny. Manao ahoana aloha ny eo amin’ny lafiny fanehoan-kevitra satria tamin’ny fitondràna teo aloha na dia nampiondrika ankihiben-tanana aza dia efa nisamborana olona? Raha voapanga na voarohirohy fotsiny ho nanohitohina ny fiandrianam-pirenena izany teo aloha dia samy nahita isika rehetra hoe nanao ahoana no nahazo an-dry Malama, Rolly Mercia, Berija, Arphine Helisoa sy ny hafa maro tsy voatanisa. Nalaza mihitsy ny fomba fiteny hoe «Gagazo». Tao ny nizaka 5 na 6, efa ho 10 taona tany am-ponja mihitsy. Nisy nampizakaina mihoatra lavitra aza moa. Ankehitriny, efa tafody soamantsara any an-tranony izao ireny ry Alain Andriamiseza rehefa voamarina fa tsy nisy ny vesatra tokony hiampangàna azy. Nalefa nody koa ry Moussa Soalihy. Mpisehatra politika avy amina firehana samihafa izany no nahiahian’izao fitondràna izao ho nikotrika izay fanozongozonana ny heverina hoe fiandrianam-pirenena izay. Nitolomana indrindra ihany koa ny mikasika ity delestazy sy olan’ny rano ity. Ny delestazy aloha izany io dia mandainga isika, hoy ny mpahaifiarahamonina politika, Paul Rabary, izay, raha tsy mahita hoe nihena izany tato ho ato. Mbola misy saingy efa tena nihena. Toy izany koa ny mikasika ny resaka rano. Io ny lafiny solika izay raha ny fanazavàn’ny minisitra tomponandraikitra hatrany moa dia ao anatin’ny fampiharana hatrany ny vidiny mifanaraka amin’ny zava-misy manerantany na «mécanisme d’ajustement des prix» isika amin’izao fotoana izao dia iny nahitàna fiovàna iny ny vidin-tsolika. Misy fotoana ahitàna fidinana. Misy fotoana somary miakatra. Mipetraka indray izany eo ny fanontaniana hoe nisy tokoa ve izany ny fanovàna sa tsia? Ny tsirairay angamba no samy mamaly an’izay any an-tsainy any! Fiovàna mankany amin’ny tsara kokoa sa sanatria vao mainka loza? Vao manomboka mizotra isika io dia samy ahita tsikelikely eo hoe hanao ahoana izy ity? Ny tena inoana fa hahaliana indrindra ny mpanara-baovao maro izao dia ny hoe hanao ahoana ny fahasahian’ny fitondràna hiady ireo nosy manodidina, ohatra, na ny fanaovany adisisika amin’ny teritery iraisampirenena isan-karazany ka dia samy mankahery ny tenany avy moa eto na mpitondra na olompirenena satria samy maniry fa miara-mizotra amina lalam-baovao anatina fiarabe iombonana antsoina hoe Madagasikara vaovao indray.
J. Mirija