airtel

Edito

03-juil-2026

Lalana feno tsilo!

Esory anatin’izao fitondràna izao

Sample post image

aloha ny forongony, hoy ireo

03-juil-2026

ambetin-dresaka sy antso samihafa nanomboka ny 25 septambra 2025 no ho nankaty. Saika nifantoka tamin’ny filoham-pirenena farany teo sy ireo mpiara-miasa na mpiaradia taminy moa no tian’ireo nahatsapa tena ho nitolona farany teto amin’ity firenena ity ho resahina tamin’ny ankapobeny rehefa nilaza io voambolana hoe «forongony». Nafana fo tamin’izany fitakiana izany indrindra ireo tanora, indrindra, tanatin’ilay sokajin-taona hoe Gen Z. Ho an’ireo sendikalista na mpitolona heverina ho isan’ny tranainy teto amin’ity firenena ity kosa, na mbola mpitolon’ny 1972 io na 1991 na 2002 na 2009 sy 2018, dia tsy olona no tiana ambara amin’io voambolana io fa fomba fiasa. Izany hoe rehefa fomba fiasa mbola mitovy amin’ny fanaon’ilay fitondràna narodana farany teo dia fomba fiasa forongony izay. Inona moa izay fomba fiasa izay fa dia ireo nantsoina tamin’ny fotoan’andro hoe «werawera», ohatra. Isany koa ny fanapahan-kevitra tsy nisy praograma. Ilay nofintinina tamin’ny hoe «manapa-kevitra aloha vao miheritreritra fa tsy miheritreritra vao manapa-kevitra». Ny tsy fihainoana afa-tsy ireo feo mandokandoka ny ataon’ilay fitondràna koa isan’izany ary, mazava ho azy, isan’izany mihitsy koa ny antsoina hoe fisolelahana na tsy fanaovana afa-tsy izay mandokandoka mpitondra izay. Mivelatra dia mivelatra ankehitriny ny adihevitra, indrindra, manoloana ny fahitàna sehatra sy fikambanana samihafa izay tazana ho feno karazan’olona maro niaradia tamin’ny fitondràna teo aloha nefa hita ho toa mahazo avara-patana ihany koa ao anatin’izao fitondràna izao. Aza hamaivanina ny serasera, hoy ry zareo fiarahamonim-pirenena izay, omaly. Mila hazavaina ny anton-javatra maro mitranga eto amin’ity firenena ity mba tsy hampisafotofoto ny fijerin’ny sarambabem-bahoaka na «opinion publique», araka izany, satria heverina fa mandia lalana feno tsilo ankehitriny ny firenena!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

sarotra ny Firenena na eo aza ny

Card image cap
16-juil-2026

ity ny faraparan’ny taona 1940.

Card image cap