airtel

Edito

27-janv-2026

Lalana tsy maintsy diavina!

Lalana tsy maintsy diavin’ny

Sample post image

manan’aina rehetra mandia ity tany ity

27-janv-2026

moa ny atao hoe fahafatesana ary azo lazaina hoe tohina tokoa na ny tontolo politika, indrindra ihany koa, ny tontolon’ny fanaovan-gazety malagasy omaly tamin’ny fahalasanana namana iray isan’ny niara-nihazakazaka tao anatin’ireo tontolo miisa roa ireo, izay inoana fa noho ny fitiavan-tanindrazana sy fikantsahana ny tsara ho an’ny mpiara-belona eto amin’ity firenena ity avokoa no antony nanaovan’ity namana ity izany rehetra izany. Na ny finoana malagasy na ny finoana hafa toy ny finoana Kristianina dia mino fa vita izany aloha ny iraka nam-panaovin’ny Mpahary izany Faniry Razafimanantany izany teto amin’ity tany ity, fa indrindra, teto amin’ny firenena antsoina hoe Madagasikara ity. Ireo heverina ho fahatsiarovana tsara niarahana taminy rehetra sisa no raisina ihany koa ho toy ny mamy napetrany ho an’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona. Toy ireo tranga hafa efa nisy teto amin’ny firenena dia tsy azo odian-tsy hita koa ny ahiahy mipetraka samihafa, izay irariana mba ho diso fa raha lasa ho toy izany tokoa moa izany no fomba fanaovana politika eto amin’ity firenena ity hoe izay manelingelina ny tombontsoa manokàn’ny sasany dia atao izay hampanginana azy tanteraka mihitsy na hitondra azy any ambany rangolahy aza, sanatrian’izany, dia inoana fa sady tsy hitondra soa izay nahavanon-doza izany ary tsy hitondra soa ho an’ny firenena ihany koa. Mbola samy ho avy ny andro hanalàn’ny mpahary ny ain’ny tsirairay ary fotoana tsy ampoizina izany saingy ny ratsy atao loza miantona, hoy ny fahendrena malagasy. Izay namono tamin’ny sabatra dia ho vonoina amin’ny sabatra, hoy ny voasoratra anaty Baiboly Kristianina. Ekena fa lalana tsy maintsy diavina izany, hoy isika teo, ary toy izany koa ny firenena, izay azo ambara hoe mandalo kihon-dalana indray ankehitriny. Samy mirary ny rehetra fa ho tonga tokoa ny atao hoe fanavaozana, indrindra, fanovàna marina eto amin’ity firenena ity ary lalana tsy maintsy diavina ao anatin’izay izany ny nandravàna ny fitondràna izay heverina hoe tsy nahomby teo aloha. Mbola mipetraka hatramin’izao anefa ny fanontaniana hoe efa afaka tanteraka ve ny fomba ratsy tsy nahombiazana teo aloha izany? Naha lasa saina nifanandrify tamin’izay omaly mihitsy izao, ohatra, ny famakafakàna mpanao politika iray izay nilaza fa tsikaritra ho mbola misy olom-bitsy manodidina ny filohan’ny fanavaozana ao izay manankona ny masony tsy ahita ny tena zava-misy marina. Tsy ny mamongotra izany heverina hoe ahi-dratsy izany ve no tokony ho atao lalana tsy maintsy diavina fa tsy ny sanatria ny mamongotra ireo sahy milaza ny tena zava-misy marina eto amin’ity firenena ity?
J. Mirija

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Nahazatra sy nahaliana izany

Card image cap
05-mars-2026

Hatrany am-piandohan’ny

Card image cap