airtel

Edito

21-sept-2022

Edito

Lany henatra sy maty fanahy ?

Sample post image

Toy ny tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra ny fiharatsian’ny fiainam-pirenena sy ny fiainana ara-politika ankehitriny.

21-sept-2022

Potika sy rava ny soatoavina sy ny etika, rava ny haja amam-boninahitra ary ny hasin’izany antsoina hoe: “Fanjakana” sy “Fahefam-panjakana” izany. Mitombina ary mampisaintsaina hatrany ilay fanontaniana napetraky ny mpandinika iray hoe: “Ny Fanjakana ve no lasa mora azon’adala sa ny adala no mora mahazo Fanjakana?”. Miditra amin’ny fiainana dangodango ara-politika isika, tsy misy resaka etika sy deontolojia, tsy miraharaha izany tamberin’andraikitra izany,… Ny resaka fanajana lalàna sy lalàmpanorenana, na koa ny fanjakana tan-dalàna efa ela no toa nakisaka eny an-tsisin-tosy. Ny afera maloto, ny toetra tsy mendrika, fifanivahivana,… no misongadina, ary isan’ny mifanome ohatra ratsy amin’izany ny mpitondra Fanjakana izay maro no toa tsy mba manana henatra intsony. Toa efa ifanaovana ao anaty Fanjakana ny mangalatra sy mangoron-karena, avy eo misy mifanontsana sy mifamingana, ka izay mety ho kelikely vovok’aina na kelikely lamosina mpiaro sy tsy maharo tena ihany no mihintsana. Naharafana izany ny governemanta, izay manodidina ny 15 ny dosie na fanonanana mpikambana tamin’ny afera maloto, raha ny fanisan’ny mpandinika. Betsaka ny afera maloto vaky am-batolampy, ny fifaminganana tamin’ny endriny maro, misy ny efa tena malaza ratsy ary toa tsy azo ialana ny porofon’ny aferan’ny sasany, saingy tsy mihontsona. Tsy misy resaka firaisan-kinan’ny governemanta izany, fa ny ao anatiny ihany no mifanontsana, tsy hisy mpanohitra hahalala ny aty vilany ao,… fa dia mifamely sy samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. Tany misy olobe tsy miady zaza, hoy ny fitenenanana, saingy toa efa tsy hitan’ilay mpitantana faran-tampony izay atao. Ny olony aza tsy voalaminy ary tsy ny ao anaty governemanta ihany fa ny aty ivelany efa mifanangana sekta, efa mifanontsana sy mifandrahona,… ka amin’ny fomba ahoana moa no ahafahany mifehy ny firenena sy mampandroso ny vahoaka ao anatiny? Ny ety ivelany raha miteny efa tratry ny henoy izany ry hazon-damosina, izay mba mijoro ho arofanina sy mpamerin-doha ao anatin’ilay Fitondrana anefa toa atsangana ho fahavalo matoa ny omaly tsy miova ny endri-pitantanana, ny mpisololeka sy mpamarina an-kady no mahazo sehatra. Tsy mahagaga raha mety ho ratsiratsy ny fiafarany!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap