airtel

Edito

08-janv-2024

Lava volon-kelika mandihy

Tsy mahay mahazo tsiny rahateo.

Sample post image

Lava volon-kelika mandihy, hoy ny fitenenana, mahay mahazo tsiny.

08-janv-2024

Oha-pitenenana malagasy mifono hevi-dalina izany. Maheno izany ianao dia tsy hay ny tsy hieritreritra ny manjo ilay firenena amin’izao fotoana izao eo anivon’ireo mpitantana azy hatramin’ny taona 2009 no ho nankaty. Ny tantara tsinona tsy fanadino na iza na iza hiteny hoe avalony any amin’izay izany fa efa lasa tany aloha tany! Rafitra sy fomba fitantanana eto no resaka fa tsy toetran’olona tsirairay ao anatin’ilay fitondrana. Ahoana tokoa moa no ahafahana hitondra filaminana anatina fitondrana azo tamin’ny fomba tsy nilamina lava izao? Ahoana no hanadiovana mpitantana zatra nilomano tanaty rafitra nalaza ho naloto hatramin’izay ho lasa rafitra madio vetivety eo? Ataona fitondrana nalaza tamina trafika sy zava-mamoha henatra maro dia maro tao anatin’izay 15 taona latsaka kely izay ahoana no hanarenana izao fahavoazan’ny firenena mampalaza azy ho faran’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany izao? Hianiana amina lalàmpanorenana voaholana tokoa ve izany ireo minisitra nambara ho ampanaovina izany? Praiminisitra efa im-piry notsipaham-pitokisana no hampanao azy ireo izany sa filoham-pirenena voalaza ho efa tokony very zom-pirenena? Tena azo inoana ve fa ao anatin’izany odidina rehetra niainana an-taonany maro izany no mety mbola sy tsy maintsy hampandroso tokoa ilay firenena?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap
13-mai-2024

Tanàna misy antsika izy, nolokoina menamena. Tanàna menamena izy, feno trano mangamanga.»,

Card image cap