airtel

Edito

15-janv-2021

Edito

Lavitra ny ezaka

Sample post image

Fiteny matetika ataon’ny mpitondra na mpitantana amina sehatra hitondrana

15-janv-2021

 

olombelona moa ny hoe mila tonga saina isika na koa hoe mila manova toe-tsaina. Fikasana izay hita ho mbola lavitra ezaka tanteraka raha mijery ny fihetsika sy mandinika ny atao ary zava-dazain’ireo manampahefana eto amin’ny firenena ankehitriny io. Na ireo mpitondra, mpitantana, mpitarika heverina tokony ho filamatra koa aza kay rehefa dinihina dia samy mbola ilaina atao tonga saina amin’ny zava-misy marina sy tokony ataony eto amin’ity firenena ity. Nisy fotoana nivoy be teto amin’ity firenena ity ny fandavan’ny ankamaroan’ny olom-pirenena maro ny maha afrikanina antsika Malagasy. Fiheverana izay diso tanteraka satria raha izany no mitombina dia tsy tokony handray anjara amin’ireny fifanarahana na lalao iraisampirenena ara-panatanjahantena afrikanina ireny isika, ohatra. Tsetsatsetsa tsy aritra izay fa mbola nalaza hatramin’ny omaly koa ny toetra afrikanina nasehon’ireo olom-boafidy vao lany sasantsasany eto amin’ny firenena tao amin’ny lapa maitso tao. Dia ny tena no menatra, hoy ilay fiteny nalaza fahiny izay. Tsy mety voavaha hatramin’izao ny gaboraraka momba ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena ary samy miezaka miaro ny tenany sy manilika ny hadisoana any amin’ny hafa hatrany izay mampiahiahy ny mpanara-baovao mandinika ny fizotran’ilay toe-draharaha. Toetra nampalaza ny afrikanina sy nanaovan’ny eoropeanina sy amerikanina fanesoana azy hatrany amin’ny taona 1980 sy 1990 tany ho any izany. Efa maro anefa ireo afrikanina manomboka tafala aminy fa isika indray ity no jereo ity izy, hoy ny ankizy.

J. Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap
25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap