airtel

Edito

12-juil-2021

Edito

Maha kivy sy maha ketraka

Sample post image

Izay aleha rehetra, 2023, 2023! Zary lasa mibahan-toerana ny kabary politika misy ankehitriny mihitsy io amin’izao fotoana izao na avy amina fikambanana na antoko politika, eny ao anaty fitondrana.

12-juil-2021


 Tsara ary azo atao hoe fivoarana ny miomana ho amin’izany dieny izao saingy ny maha kivy sy maha ketraka dia toy ny efa hita taratra sahady ny fanombohan’ireo fomba fanao aty amin’ny tany afrikanina, mba tsy hilazana hoe, indrindra, aty Madagasikara, rehefa akaiky fifidianana. Mbola vao misasaka ny dian’ny fitondrana ankehitriny dia mandeha ireo karazana andran-tsira, hoy ny namana mpikabary iray izay, toy ny didim-poitra faobe, fizarana fanampiana, fivoriana etsy sy eroa. Ho avy koa izany atsy ho atsy, hoy izy izay, ny fangatahana ataon'ireo karazam-pikambanana mitaky ny hilatsahan-dRakoto sy Rabe ary “hazakazaka ambany farafara” izy ity fa raha ny tsanganana efa hita aloha hatreto dia ho mafy ny fifaninana. Tsy miova araka izany ny kolontsaina politika mbola tohizan’ireo maniry ny hitantana eto amin’ity firenena ity hitaizany ny vahoaka Malagasy fa dia mbola izay tolotolotra hakana ny anio ho hanina anio izay hatrany. Mbola “hihomehezana” eto ny fampahafantarana dieny izao ny vinam-piarahamoninao, raha toa ka mba mpanao politika mbola manana ny atao hoe deontolojia sy etikany ianao ary izay aloha no heverinao fa maika indrindra tokony ho fantatry ny vahoaka mba hahafahany miheritreritra dien’izao na hanohana anao na tsia rehefa tonga ilay tena fotoana ifanomezana. Ny tena loza iaraha-mahalala anefa etsy ankilan’izay dia ilay fiainam-pirenena tsy ahitana varany intsony manoloana ireto karazam-binan’ny mpitondra izay tsy tena hita marina ihany ireto izay tena fanombohana. Firy isan-jaton’ny IEM izany izao no efa tontosa? Toy izany koa ny velirano. Manao ahoana ny fipetraky ny PGE, ny PEM, ny Plan Marchall sy ny hafa rehetra? Midangana andro aman’alina ny vidim-piainana, mananontanona aoriany ao koa ny vidin-tsolika, ny tsy fandriampahalemana mbola tsy voavaha. Moa ve takatry ny mpitondra fa tsy ilay kere tsy mety voavaha tao anatin’ny 50 taona no olana fa ilay izy miha mafy sy mielim-pantrana 50 taona aty aoriana? Fantatr’ireo mpiantsehatra politika rehetra izay mametraka vina ho amin’ny 40 taona na maherin’izany hoavy ihany koa ve fa tsy ilaina ny vinan’izy ireo raha sanatria ka ahita tany hipetrahan’ny tongony eto intsony ny Malagasy afaka 10 taona ohatra ?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap