airtel

Edito

29-déc-2025

Mahavelom-bolo !

Roa volana katroka omaly ny governemanta,

Sample post image

raha 70 andro mahery kely eo izay no

29-déc-2025

niovan’ny fitantanana ny Firenena ho amin’ny endriny ankehitriny. Tsy misy ny tonga lafatra 100% ary tsy mora ihany koa ny nandova ny fitondrana mpambotry sy mpamotika teo aloha izay nanjakan’ny afera sy ny kolikoly,… Na izany aza, tsy fanindrahindrana ny fitondrana fa finiavana handoka be fahatany, efa misy ireo fanovana sy fiovana azo tsapain-tanana ankehitriny. Ohatra mivaingana amin’izany ny fahitana sy fahatsapana fa mba efa manomboka voafehy sy mihena ny fahatapahan’ny herinaratra eto Antananarivo. Asa raha tsaroan’ny rehetra fa isan-taona rehefa vanim-potoana tahaka izao isika, dia efa zary mahazatra ny maheno hoe : be loatra ny tosiky ny rano ka tsentsina ny milina. Rehefa lohantaona sy ririnina lazaina fa tsy ampy ny tosiky ny rano ka mihena ny famokarana,… Na maina ny andro na lena, nahita havaly foana, eny fa hatramin’ny papango aza nahazo tsiny. Irariana mba haharitra ny vahaolana efa tsapa. Henjana izany hoe fitondrana misedra olana ara-bola, saingy mahavita mametraka fa hampiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana 14% izay tsy vitan’ilay teo aloha tao anatin’ny taona maro. Mahavita manome tambiny manokana ho fankasitrahana ny mpiasam-panjakana amin’izao fiafaran’ny taona izao. Mazava ho azy, misy fikitihana ara-bola sy ara-pitantanana ao izay mety tsy mora, saingy mahavelom-bola ny fanapahan-kevitra. Ny irariana mba hitohy amin’ny sehatra samihafa na mety tsy hitovy aza. Mila fehezina ihany koa anefa andaniny ny toekarena sy ny sosialy mba tsy hidanganan’ny vidim-piainana,… Na eo aza ny fahombiazana, tsy azo atao ny mijery arina an-tava eo anatrehan’ireo tsikera sy fampananenoana lakolosy maro izay tsy midika ho avy amin’ny fanoherana avokoa fa mety betsaka ihany koa ny faniriana hanana zavatra tsara. Betsaka ireo lesoka sy fahalemena mila harenina, izay ilàna fanetren-tena, fahaiza-mihaino,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Manahirana dia manahirana

Card image cap
16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap